• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 12 hatramin'ny 18 febroary 2024

19/02/2024 07:50 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandron'ny 12 febroary (12 hatramin'ny 18 febroary ).

Taombaovao Malagasy 2024 # 11 martsa

Teo aloha, samy manana daty ankalazany ny Taombaovao Malagasy ny isam-bohitra. Amin'ity taona 2024 ity kosa, misy ny daty iarahana amin'ny fankalazana. Ho tanterahina ny 11 martsa ho avy izao àry ny Taombaovao Malagasy Fidiovana, izay hanatanterahana ny fidiovana sady andrehetana sy izarana ny Afo tsy maty. Hisy ihany koa ny Taombaovao Lohataona ny 6 septambra, amin'ity taona ity ihany. Nangataka tamin'ny Fanjakana moa ireo mpikarakara mba ho andro tsy fiasana nefa andraisakarama ireo fotoana roa ireo, mba hahafahan'ny vahoaka Malagasy miara-mifaly.

Rivodoza # Tsy hikasika an'i Madagasikara

Raha ny vinavina kosa dia heverina fa hikisaka manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara ilay tangoron-drahona ka mety hivadika rivodoza. Ttsy ahiana loatra ny hanambana an’i Madagasikara izany andro ratsy izany hatramin’ny fisasahan’ny herinandro manaraka. Na izany aza dia tombanana mbola hibahan-toerana ny oram-baratra ary mety hanatombo hatrany izany amin’ny faritra sasany, mandritra ny roa andro manaraka. Etsy an-daniny, arahi-maso akaiky ny fivoaran’ilay tangoron-drahona.

Faritra Atsinanana # Fandraisana an-tanana ireo traboina

Ny 17 febroary lasa teo no nanolotra fanampiana ho an'ireo traboina ao amin'ny Faritra Atsinanana ny fitondram-panjakana. Fonosana ahitana vary sy menaka ary voamaina no natolotra ireo traboina izay raisina an-tanana eo anivon'ireo toby fandraisana ao Toamasina 1 sy Toamasina Suburbaine (EPP Ambodisaina). Ho an'ireo manana olana ara-pahasalamana kosa dia afaka mizaha ireo mpitsabo ao amin'ny toerana fandraisana. Hisy ihany koa ny asa sandaina sakafo entina ny Minisiteran'ny Mponina sy ny BNGRC ka ny fanokafana sy ny fanadiovana ireo lakan-drano no ho atao laharam-pahamehana amin'izany.

Fampianarana teknika # Manohana an'i Madagasikara i Frantsa

Nihaona tamin'ny masoivohon’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara, Arnaud GUILLOIS, ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa, Lalatiana RAKOTONDRAZAFY. Niompanan’ny diniky ny roa tonta ny fanohizana ny fiaraha-miasa, satria mpiara-miombon’antoka amin’ny Minisitera amin’ny lafiny fanofanana arak’asa ny masoivoho sy ireo sampan-draharaha frantsay isan-karazany miasa eto Madagasikara. Nanamafy ny mbola fahavononany hanampy kosa ny masoivoho frantsay, hisy ny fivoriana ara-teknika izay hatao tsy ho ela eo amin’ny 2 tonta hirosoana haingana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa mifandraika amin’ny laharam-pahamehana vaovao napetraky ny Minisitera.

Asa ho an'ny tanora # Hisy sekoly hisokatra

Ny andro faharoan'ny World Governments Summit no nandraisan'ny filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina fitenenana. Tamin'io 13 febroary io ihany koa no nanaovana sonia ny ifanaraham-piaraha-miasa miaraka amin'i Émirats Arabes Unis momba ny fametrahana ny "Digital school" sy ny "coders initiative". Araka izany, tanora hatramin’ny 1 tapitrisa no hisitraka fampiofanana momba ny fikirakirana ny haitao ara-kajy mirindra. Tafiditra ao anatin'ny fanamorana ny fahazoana asa ho an'ny tanora izany tetikasa izany.

Dubaï # Fitaterana an'habakabaka

Nararaotin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny fandalovany tao Dubaï mba hanitarana ny fiaraha-miasa amin'izao tontolo izao. Andrandraina araka izany ny hidiran'ny Emirates Airline & Group ho isan'ireo mpitatitra an'habakabaka hisehatra eto Madagasikara. Naneho ny faniriany ny hisokafan'ny sidina mivantana mampitohy an'i Dubaï sy Madagasikara rahateo ny filoha mpitantana io kaompania arabo io. Hiroso miandalana ireo dingana fanatanterahana izany ka hapetraka ny komity ivondronan’ireo tompon’andraikitra sy tekinisianina Malagasy, ary ireo avy amin’ny orinasa Emirates, handrafetana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Emirates Airlines.

Addis-Abeba # Vondrona Afrikana

Nanatrika ny fanokafana ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikana, andiany faha-37, ny Filohampirenena Malagasy Andry Rajoelina. Niarahaba an'i Madagasikara manokana ireo mpitondra samihafa taorian'ny nanatanterahany fifidianana nanaraka ny fenitra demokratika ary neken'izao tontolo izao.
Nanamarika ny lanonam-panokafana 17 febroary ny fifandimbiasam-pahefana teo amin’ny Filohan'ny nosy Comores, Azali Assoumani, sy ny Filohan’ny Repoblikan'i Mauritanie, Mohamed Ould El-Ghazaouani, izay handray ny fitarihana ny Vondrona Afrikana.

Banky iraisam-pirenena # Fanohanana an'i Madagasikara

Nihaona tamin'ny ny filoha lefitry ny banky iraisam-pirenena misahana ny faritra atsinanana sy atsimon’i Afrika, Victoria KWAKWA, ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny delegasiona notarihiny. Votoanton'ny resaka moa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa. Mitentina hatramin’ny 4 lavitrisa dolara ny fanohanan'ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara eo amin’ny sehatra maro toy ny angovo, ny fotodrafitrasa, fampianarana, ny fananan-tany,... Araka izany, eo anilan'i Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ho an'ny fampandrosoana ny firenena.

Ambilobe # Fampiofanana fiompiana trondro

Mitohy hatrany ny ezaka fampiofanana miompy trondro manerana ny Nosy, karakarain'ny Ministeran'ny Jono. Olona miisa 54 tao Ambodibonara, Distrikan'Ambilobe, Faritra Diana, no nahazo fahalalana vaovao mikasika ny fiompiana trondro, ny 13 febroary lasa teo. Velombolo ireo nanatrika fiofanana ka tao ireo izay tapakevitra ny hiompy trondro no nangataka fanohanana ara-teknika amin'ny CirPEB Ambilobe amin'ny fijerena ifotony ny toerana afaka anorenana ny dobo trondro.

Ambodiranomaintso # Fizarana zanatrondro Tilapia

Mpiompy trondro miisa 40 efa manana fahazoan-dalana sady efa nahavita fiofanana no notoloran'ny ministeran'ny jono zanatrondro Tilapia miisa 7 000. Samy avy ao Ambodiranomaintso, Distrikan'i Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony , ireo mpiompy trondro ireo. Ny ankamaroan'izy ireo dia mivelona amin'izany asa izany avokoa. Antenaina fa hampitombo betsaka ireo trondro azo amidy izany.

Morondava # Fananan-tany

Nanatanteraka fanisana ny Boky Rovitra sy ny Tanim-panjakana ny Birao Iombonan'ny Fananan-tany tao Morondava. Izany no natao dia ho fampiharana ny Naoty laharana 060-MDAT/Mi izay miompana amin'ny fanavaozana ny fangatahana ny tanim-panjakana sy ny fanavaozana ny Lalàna mifehy izany. Marihina moa fa efa manerana ny nosy no manatanteraka izany fanisana (inventaire) izany. Hisy fakan-kevitra amin'ny alalan'ny varavarana misokatra ho tanterahina eny amin'ny Birao Iombonan'ny Fananan-tany sy Fandrefesan-tany Morondava ny Alakamisy faha 22 febroary amin'ny 9 ora maraina.

OJM # Gilet de presse

Nanolotra "gilet de presse" ho an'ireo mpanao gazety 15, ao Mananara-Avaratra, faritra Analanjirofo, ny fikambanana mpanao asa soa, MAFATOKY Mananara-Avaratra. "𝐴𝑛𝑖𝑠𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑠𝑖𝑛𝑔𝑎 𝑖𝑟𝑎𝑦, 𝑎ℎ𝑖𝑡𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑑𝑟𝑜𝑠𝑜𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑟𝑒𝑛𝑒𝑛𝑎 𝑖𝑟𝑎𝑦, 𝑎ℎ𝑎𝑓𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑎𝑚𝑝𝑖𝑡𝑎 𝑛𝑦 𝑣𝑎𝑜𝑣𝑎𝑜 ℎ𝑜 𝑎𝑛'𝑛𝑦 𝑣𝑎ℎ𝑜𝑎𝑘𝑎, 𝑎𝑟𝑎𝑘𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑙𝑎𝑙𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑖𝑎𝑖𝑛𝑎𝑛𝑦, 𝑛𝑦 𝑎𝑠𝑎 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑜𝑣𝑎𝑛-𝑔𝑎𝑧𝑒𝑡𝑦", hoy Ramatoa Liliane Francia FENO, filohan'ny fikambanana.

Lire la suite

Articles Similaires