• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo Madagascar
Image
Vaovao

Andro ratsy : Misy tangoron-drahona ahiana hivadika ho rivodoza ao Atsinanan’Antalaha

18/02/2024 12:07 © Moov.Mg

Misy tangoron-drahona mihamahazo vahana ao atsinanan’ny faritra Atsinanan’Antalaha nanomboka omaly maraina. Ahiana ny mety hivadihan’izany ho andro ratsy ao anatin’ny andro vitsy manaraka.

Mifandray amin’ilay rivodoza Djoungou

Araka ny nambaran’ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro, tamin’ny 9 ora maraina androany alahady, dia mifandray amin’ilay rivodoza Djoungou ao atsinanan’ny Nosy Rodrigues izao tranga izao. Tafidina atsimo kokoa noho ny mahazatra ny toerana misy ny Zone de Convergence InterTropicale (ZCIT). Misy tangoron-drahona hafa mitoetra mifandray amin’izany ZCIT izany mihamahazo vahana ao atsinanan’ny faritra Atsinanana, izany hoe ao atsinanan'Antalaha, nanomboka omaly maraina. Nahitana fidinana misongadina avokoa ny tsindrin’ny habaka amin’ny faritra maro amin’ny ilany andrefan’ny ranomasimbe Indiana, hoy ny fanazavana. Manodidina ny 45 Km/ora ny rivotra miaraka amin’ity tangoron-drahona ity ary arahina tafiotra 50-70 Km/ora izany ao anaty oram-baratra.

Hibahan-toerana ny oram-baratra

Noho ireo antontan-kevitra rehetra voarain’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro ireo dia ho tomombana ny tontolo hivoaran’ity tangoron-drahona ity, ato anatin’ny andro maromaro manaraka. Tafiditra ao anatin’izany ny hafanan’ny ranomasina, ny hamandoan’ny habaka ary ny hamafin’ny rivotra any ambony tsy taka-maso. Noho izany dia ambony ny herijika mety hivadian’ity tangoron-drahona ity ho rivodoza ato anatin’ny roa andro ho avy. Raha ny vinavina kosa dia heverina fa hikisaka manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara izy mandritra izay fiforonany izay, ka tsy ahiana loatra ny hanambana an’i Madagasikara izany andro ratsy izany hatramin’ny fisasahan’ny herinandro manaraka. Na izany aza dia tombanana mbola hibahan-toerana ny oram-baratra ary mety hanatombo hatrany izany amin’ny faritra sasany, mandritra ny roa andro manaraka. Etsy an-daniny, arahi-maso akaiky ny fivoaran’ilay tangoron-drahona.

Lire la suite

Articles Similaires