• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Toavina Rabe
Image
Vaovao

Taombaovao Malagasy 2024 : Ny 11 martsa no daty ofisialy

17/02/2024 16:05 © Moov

Tafapetraka ny daty iombonana hoentina manakalaza ny taombaovao Malagasy amin'ity taona 2024 ity. Ny 11 Martsa ho an'ny Taombaovao Fidiovana, ary ny 06 Septambra kosa ny Taombaovao Lohataona.

Tamin'ny volana janoary lasa teo no efa nivory ny "Communauté Royale de Madagascar" sy ireo mpisehatra rehetra amin'ny Fomba Malagasy. Ankehitriny dia tapaka soa aman-tsara ny daty iombonana, ka tsy hisy intsony ny fankalazana isam-bohitra amin'ny fotoana samifaha. Ny 11 martsa no anatanterahana ny fankalazana izay ahitana Fidiovana, izay andraisan'ny maro ny Afo tsy Maty. Mbola hisy kosa ny fankalazana ny taombaovao lohataona ny 6 septambra.

Fiombonana

Miaraka mikarakara ireo lanonana rehetra avokoa ireo Mpandala ny soatoavina sy ny fomba Malagasy rehetra. Efa niravona araka izany ny disadisa nisy teo amin'ny fanapahana ny ivom-pankalazana.
Ary hangatahin'izy fikambanan'ny taranaky ny Mpanjaka sy ireo mpandala ny Fomban-drazana rehetra ny mba hamaritana ireo andro fankalazana ny taom-baovao Malagasy ireo ho andro tsy fiasana fa fandraisan-karama.

Fampianarana

Ilaina tokoa ny fanomanana ny fandraisana ny Taombaovao Malagasy 2024 dieny izao. Noho izany indrindra, nisy ny fampianarana tantara sy fombandrazana izay notanterahina androany sabotsy 17 febroary, tao amin'ny LMA.

Tsy nanavahana finoana, fiaviana sy taona moa izany fampiofanana izany.


Copyright Image : © TR

Lire la suite

Articles Similaires