• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © People.Mg
Image
Vaovao

Esther Randriamamonjy : Hampiranty ny asa-sorany eny amin’ny Tranomboky Monisipaly

16/02/2024 16:44 © Moov.Mg

Hampiranty ireo asa asa sorany eny amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely, manomboka ny zoma 23 febroary hatramin’ny alakamisy 7 martsa izao, i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy. Isan’ny ahafantaran’ny maro azy ny sehatry ny literatiora ho an'ny ankizy.

Mpampianatra sady mpanoratra

Efa ho 70 taona izao no naha-mpanoratra an’i Esther Rasoloarimalala Randriamamonjy na i ERR. Teraka ny 11 aprily 1933 tao Ambohimahasoa izy. Mpampianatra no asany, ka samy taranja voafehiny ny malagasy, frantsay ary anglisy. Nanoratra tantara foronina sy angano ho an’ny ankizy no isan’ny tena nahalalana azy. Tsy izay ihany anefa fa efa maherin’ny 60 isa ny asa sorany, izay ahitana tantara foronina, sombin-tantara, tantara tsangana, angano sy tononkalo. Misy amin’ireo asa sorany no voadika amin’ny teny rosiana, niarahany niasa tamin’ny Dr Ludmila Kartachova, mpikaroka sy manam-pahaizana manokana momba an’i Madagasikara ary mpikambana ao anatin’ny Akademia Malagasy. Isan’izany ny « Ho avy ny maraina » sy ny « Trano rava ». Fa nandika asa soratra vahiny manana ny maha-isy azy ihany koa i Esther Randriamamonjy, toy ny « Ireo fadiranovana » (« Les Misérables » an’i Victor Hugo), sy ny « Vahiny » (« L’étranger » an’i Albert Camus), na koa « Ilay Osivavin'Ingahy Seguin » (« La Chèvre de Monsieur Seguin » an’i Alphonse Daudet)

Nankafizin’ny ankizy

Nisy nampiasaina tamin’ny fandaharam-pianarana ny boky nosoratan’i Esther Randriamamonjy, toy « Ny Sodin’i Solofo », ho an’ny kilasy T6 sy ny “Ho avy ny maraina”, kilasy T9. Nisy ihany koa no natao ho fialam-boly, saingy mifono fampianarana sy azo nisintonana lesona hatrany. Tombony ho an’ireo izay ho avy hitsidika ny fampirantiana ny asa sorany, ny fahafahana mitafa mivantana aminy amin’ny ora hisokafan’ny Tranomboky Monisipaly. Azo antoka fa hanankarena ny fifanakalozan-kevitra miaraka aminy, indrindra momba ny literatiora. Izy tokoa mantsy no niaingan’ny famaritana ny atao hoe literatiora manao hoe : « famoahan’ny olona amin’ny alalan’ny teny voasoratra na tsia ny fihetseham-pony, ny fiheviny ny maha olona ny olona, ny fifandraisany amin’ny manodidina azy ». Izy ihany koa no voalaza fa mpanoratra malagasy tena novakian’ny ankizikely betsaka indrindra.

Lire la suite

Articles Similaires