• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Imago
Image
Vaovao

Vondrona Afrikanina : hifantoka amin’ny famahana ireo krizy aty Afrika ny fihaonana an-tampony faha-37

16/02/2024 15:36 © Moov.Mg

Efa any Addis Abeba, Etiopia, hiatrika ny fihaonana an-tampony faha-37 an’ny Vondrona Afrikanina, ny delegasiôna malagasy, tarihin’ny filoha Andry Rajoelina. Hiompana betsaka amin’ny fikatsahana fitoniana sy fandriampahalemana aty Afrika ireo dinika hotanterahina mandritra izany.

Fandriampahalemana sy demôkrasia

Nisokatra nanomboka omaly alakamisy 15 febroary ny fihaonana an-tampony faha-37 an’ny Vondrona Afrikanina. Rahampitso 17 febroary sy ny alahady 18 febroary kosa no hikaon-doha ireo filoham-panjakan’ireo firenena mivondrona ao anatiny. Firenena afrikanina 55 isa no manana solon-tena manatrika ity fihaonana an-tampony ity. Isan’ny hifotoran’ireo dinika samy hafa ny momba ny fandriampahalemana sy ny demôkrasia aty Afrika. Firenena afrikanina maro mantsy no mbola miaina ao anatin’ny ady an-trano sy tsifandriampahalemana ary anjakan’ny asa fampihorohoroana. Ny hahafahan’ny Vondrona Afrikanina miditra an-tsehatra mamaha ny olana no tanjona amin’izao fihaonana an-tampony izao. Isan’ireo hitadiavam-bahaolana ny fanampiana an’i Soudan Atsimo, ny famahana ny krizy ao Etiopia ; ny fitadiavana fitoniana ao amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Kôngô …

Dinika sy fifanakalozana

Isan’ny horesahina manokana, mandritra ity fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina ity ihany koa, ny momba ny fampiharana ny ZLECAF (Zone de libre-échange continentale Africaine), izay fifanarahana eo amin’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikanina mikendry ny fanalalahana ny fifanakalozana ara-barotra, mba hisitrahan’ny rehetra tombontsoa. Ankoatra izay dia tafiditra ao anatin’ny lahadinika ny fandraisan’anjaran’ny Vondrona Afrikanina ao anatin’ny G20. Raha tsiahivina moa dia tafiditra ho mpikambana vaovao ao amin’ny G20 ny Vondrona Afrikanina, tamin’ny fihaonana an-tampon’ity vondrona ity, izay natao ny 9 septambra tamin’ny taon-dasa. Ho an’ny filoha Andry Rajoelina manokana dia tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanany ny fihaonana amin’ireo tomponandraikitra ambony isan-tsokajiny, ankoatra ny fandraisana anjara amin’ireo fivoriambe azon’ny besinimao atrehina.

Marihina fa ny filohan’i Mauritanie Mohammed Ould Ghazouani indray no hitarika ny Vondrona Afrikanina ato anatin’ny herintaona handimby an’i Azali Assoumani, filohan’i Kaomoro. Anjaran’i Afrika Avaratra no nanolotra ny kandida tamin’izany. Hotanterahina mandritra izao fihaonana an-tampony izao ny fifamindram-pitantanana eo amin’ny roa tonta.

Lire la suite

Articles Similaires