• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Mauricien
Image
Vaovao

Andro ratsy : Tsy hikasika an’i Madagasikara i Djoungou, misy tangoron-drahona hafa arahi-maso

16/02/2024 12:26 © Moov.Mg

Nivadika ho andro ratsy « tempête tropicale modérée », omaly alina, ilay tangoron-drahona tao amin’ny ilan’ny fari-dranomasina misy an’i Madagasikara, ka nomen’ny avy ao amin’ny nosy Maorisy ny anarana hoe : «Djoungou».

Ahiana hivadika ho rivo-doza

Hatreto, raha ny vinavina, dia tsy hahakasika an’i Madagasikara ity andro ratsy Djoungou ity. Etsy an-daniny, misy tangoron-drahona arahi-maso akaiky ihany koa, izay mitondra rotsak’orana eto amintsika amin’izao fotoana. Mety hivoaka an-dranomasina manakaiky an’i Toamasina, na ny Faritra Analanjirofo izy io, ka ahiana ny hivadihany ho rivo-doza rehefa tonga any an-dranomasina. Araka izany, hitondra orana betsaka any amin’ny Faritra Analanjirofo sy SAVA izy io. Fa na mivadika ho rivo-doza aza anefa io tangoron-drahona iray io dia tombanana tsy hikasika an’i Madagasikara ihany koa, fa hiezaka hanalavitra ny Nosy. Fa na izany aza, hitohy hatrany kosa ny orana matevina indraindray ho an’ny Faritra maro toa an’i DIANA, SAVA, Sofia, Boeny, Betsiboka, AlaotraMangoro, Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo sy ny aty afovoan-tany.

Fahabetsahan’ny rotsak’orana

Tombanana hahatratra 40 hatramin’ny 100 mm ao anatin’ny 24 ora ny habetsaky ny rotsak’orana any amin’ny faritra sasany, ka mila mitandrina ny rehetra amin’ny mety ho fiakaran’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany. Misy ihany koa, noho izany, ny filazana fampitandremana fahabetsahan’ny rotsak’orana navoakan’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro, ka miloko mavo izany ho an’ny Faritra Atsinanana ary miloko maitso ho an’ny Faritra Sofia, Betsiboka, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Atsinanana, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Bongolava, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo atsinanana, ny distrikan’i Fandriana, Ambositra ary Manandriana.

Lire la suite

Articles Similaires