• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministère De La Justice
Image
Vaovao

Fanolanana tany Fianarantsoa : Naaton’ny Fitsarana ny fanenjehana ireo voampanga

16/02/2024 10:17 © Moov.Mg

Nokilasiana ho tsy misy tohiny ilay fiampangana lehilahy roa ho nampihatra herisetra ara-nofo tamina zazavavy roa tany Fianarantsoa, tamin’ny volana desambra lasa teo. Tranga nanahirana ny Fitsarana any an-toerana izy ity, noho ny fisalasalana goavana nisy teo amin’ny porofo nentina nanenjehana ireo voampanga.

Nitondra porofo

Mila fahamalinana ny Fitsarana ny heloka momba ny fanolanana, indrindra taorian’ny fahalanian’ilay lalàna manamafy ny sazy ho an’ireo mpanolana zaza tsy ampy taona, izay nampiana famosirana ara-tsimika na ara-pandidiana. Tranga iray maneho ny mahasarotra ny fitsarana ny trangana fanolanana ihany koa ity niseho tany Fianarantsoa ity, indrindra eo amin’ny fitadiavana ny porofo. Raha tsiahivina ny tantara dia tamin’ny volana novambra tamin’ny taon-dasa no nametaka fitoriana, noho ny fanolanana, ny fianakavian’ireto zazavavy ireto. Voalaza tamin’izany fa tratran’ny fanolanana avy ao aloha sy avy aoriana ny iray tamin’izy roa vavy ary niharan’ny fihetsika mamoafady ny anankiray. Nitondra ny porofon’ny fahasimban’ilay zazavavy voalaza ho voaolana ny fianakaviany, ny volana desambra, izay taratasy fanamarinana faharovitana avy amin’ny dokotera mpitsabo ankapobeny. Tsy afaka nanamarina ny fotoana nitrangan’ny fahavoazana kosa anefa ilay dokotera.

Valim-pitiliana mifanohitra

Rehefa niakatra fampanoavana ny raharaha dia nangataka ny hanamarinana ny valin’io fitiliana io ireo voampanga, na ilay antsoina hoe : « contre-expertise », araka ny fanazavan-dRabendrainy Tinah Sylvia, Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Fianarantsoa. Zon’izy ireo izany, hoy izy, ary tsy azon’ny Fitsarana lavina. Rehefa nivoaka ny valim-pitiliana nataon’ny dokotera « gynécologue », dia mbola virjiny ilay zazavavy, tsisy faharovitana mihitsy teo aminy na vao haingana na efa ela, ary tsy nisy aretina mety ho nahazo azy ihany koa. Satria nifanohitra ireo valim-pitiliana roa dia tsy maintsy niditra tamin’ny fitiliana fanintelony ny fitsarana, izay natrehin’ireo dokotera roa voalohany. Nanamarina ny mbola maha-virjiny an’ilay zazavavy ity fizahana farany ity, ary tsy nahitana taratra fahavoazana izy, na tao aloha, na tao aoriana, hoy ny fanazavan’ny Tonia Mpampanoa Lalàna.

Mila porofo mavesatra

Noho ireo antony ireo, dia naaton’ny Fitsarana ao Fianarantsoa ny fanenjehana ireo roa lahy voapanga fa nanolana. Mba tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony, dia tokony atao mafy, dieny miainga eny ifotony, mandritra ny fanaovana famotorana, ny fitadiavana porofo amin’ny raharaha fanolanana toy izao, hoy Rabendrainy Tinah Sylvia. Nomarihiny ihany koa fa arakaraky ny maha-efa ela ny fotoana nitrangan’ny fanolanana no mahasarotra ny fitadiavana izany porofo izany. Araka izany, tokony tohanana ilay olona ary tokony hamoraina ny fitadiavana ilay porofo, satria tsy maintsy porofo mavesatra no entin’ny fitsarana manao ny asany, rehefa misy fanenjehana voampanga. Ny « certificat medical », izay taratasy omen’ny mpitsabo, no porofo manan-danja indrindra ao anatin’izany. Nilaza moa ity, Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Fianarantsoa ity fa tsy afaka ny hijanona fotsiny amin’izao ihany koa ny Fitsarana, raha voaporofo fa nisy ny finiavana hanodinkodina ny porofo mba handentehana olona.

Lire la suite

Articles Similaires