• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vavatenina 518
Image
Vaovao

Fahabetsahan’ny rotsak’orana : tapaka ny lalana ao amin’ny distrikan’i Vavatenina

15/02/2024 16:32 © Moov.Mg

Misy fiantraikany ratsy amin’ny fiainan’ny mponina any amin’ny distrikan’i Vavatenina, Faritra Analanjirofo, ny orana nikija tao ho ato. Mitoka-monina ity Distrika ity ankehitriny, noho ny rano miakatra.

Mitoka-monina

Tapaka androany, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina, ny lalam-pirenena faha-22 avy ao Antsikafoka mamakivaky ny distrikan’i Vavatenina, eo amin’ny tetezana Mananonoka. Io lalana io no mampifandray an’i Vavatenina amin’ireo Distrika hafa sy amin’ireo kaominina manodidina, nefa dia izao tapaka izao, vokatry ny fiakaran’ny rano. Betsaka ihany koa ireo teboka mainty, izay mbola ahiana hanapaka tanteraka ny fifamoivoizana, ankoatra ny tany mety hihotsaka. Etsy an-daniny, olona iray no mbola tsy hita popoka, natelin’ny ranon’i Maropiso, ary efa telo andro izao no nitadiavana azy. Efa manomboka tsapa ny fiakaran’ny vidim-piainana any an-toerana amin’izao fotoana, raha tsy hilaza afa-tsy ny saran’ny fampitana olona iray amin’ny renirano, izay efa tafakatra 4.000 Ar ankehitriny, raha toa ka 500 Ar izany teo aloha.

Dibo-drano ny tanimbary

Mbola ahiana ny hamafin’ny fidangan’ny vidim-piainana ao aoriana ao, satria amin’izao fotoana izao dia dibo-drano ny tanimbary ao amin’ny amin'ny lemak'Iazafo, izay sompitry ny Faritra Analanjirofo. Tahaka izany koa ny tanimbary ao amin’ny fokontany Ampatsy, kaominina ambanivohitr’Andasibe, tokony ho 70 km miala ny renivohitry ny distrikan’i Vavatenina. Ankoatra izay, ao amin’ny kaominina Ampasimazava dia misy ny trano fonenana efa dibo-drano, araka ny fampitam-baovao. Raha ny filazàna navoakan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara anefa, dia mbola hitohy hatrany ny rotsak’orana amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Misy, noho izany, ny fampitandremana momba ny fahabetsahan’ny rotsak’orana. Filazana fampitandremana miloko mavo no ho an’ny Faritra Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Boeny, Alaotra Mangoro ary ny distrikan’i Maevatanana sy Tsaratanana. Filazana fampitandremana miloko maintso ho an’i Sofia, DIANA, SAVA, Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Bongolava, Atsimo atsinanana, ny ilany atsinanan’i Amoron’i Mania ary Mandritsara.

Lire la suite

Articles Similaires