• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © La Balise
Image
Vaovao

Fanolanana : Tranga 12 sahady no niakatra fitsarana teny Anosy, amin’izao volana febroary izao

15/02/2024 15:21 © Moov.Mg

Vao misasaka ny volana febroary dia efa mihoatra ny 10 sahady ny raharaha momba ny fanolanana niakatra tao amin’ny Fitsarana Anosy. Io firongatry ny herisetra ara-nofo eto Madagasikara io indrindra no antony nahatonga ny fanamafisana ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana feno habibiana.

Sazy mifandanja amin’ny heloka

Tamin’iny volana janoary lasa teo iny dia niisa 133 ny trangana fanolanana niakatra Fitsarana manerana an’i Madagasikara. Ho an’Antananarivo manokana dia efa nisy 12 izany no nentina teo anoloan’ny Fitsarana Anosy, tamin’ity volana febroary ity. Mila atao mifandanja amin’ny heloka izay natao sy ny fahavoazana nihatra tamin’ny niharam-boina ny sazy, hoy ny Minisitry ny fitsarana sady mpitana ny tombokasem-panjakana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Ny sazy ihany koa, hoy hatrany izy, dia natao mba hahatonga ny olona tsy voasarika hanao heloka. Araka izany, namafisina ny fanasaziana momba ny trangana fanolanana ary nampiana ny famosirana « castration chimique » na « castration chirurgicale » izany, arakaraky ny taonan’ireo nampiharana herisetra. Sady raha ny tatitry ny tranga tonga avy amin’ny Fitsarana manerana ny Nosy, hoy hatrany ny minisitra, dia feno habibiana ireo trangana herisetra ireo, ary misy nahafaty ilay zaza voaolana mihitsy, toy ny nitranga tany Nosy Be.

Fiarovana ny zon’olombelona

Somary mampiady hevitra moa ity lalàna fanamafisana ny fanasaziana ny fanolanana ity, indrindra eo amin’ireo mpiaro ny zon’olombelona. Saingy nanamafy ny minisitry ny Fitsarana fa mba ho fiarovana ny zon’olombelona indrindra, dia ny zon’ireo zaza niharan’ny habibiana izany, no antony nandaniana ny volavolan-dalàna laharana faha-002/2024/PL tamin’ny 24 janoary 2024, izay manitsy sy manampy ireo andininy sasantsasany amin’ny Fehezan-dalàna famaizana malagasy. Ankoatra ny fampidirana ny famosirana simika na ara-pandidiana, dia nisy ihany koa ny fanitsiana fanampiny, ka ireo mpanolana zaza latsaky ny 10 taona dia hiharan’ny sazy an-terivozona mandrapahafaty. Raha eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 13 taona ilay niharan’ny herisetra dia voasazy an-terivozona mandritra ny 15 hatramin’ny 20 taona an-tranomaizina ilay mpanolana. Raha eo anelanelan’ny 13 hatramin’ny 18 taona kosa ilay niharan’ny habibiana dia sazy an-terivozona 10 hatramin’ny 15 taona no homena ilay mpanao heloka.

Lire la suite

Articles Similaires