• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Vaovao

VIH/SIDA : Mihabetsaka ireo tanora 17-24 taona mitondra ny otrikaretina

15/02/2024 12:42 © Moov.Mg

Manamafy ny hetsika ataony, ao anatin’ny fanatanterahana ady marolafy, ny komitim-pirenena misahana ny ady amin’ny SIDA (SE/CNLS). Izany dia noho ny fahatsapana fa mihamitombo ny isan’ny tanora mitondra ny otrikaretina VIH/Sida eto amintsika.

Nitombo avo telo heny

Tombanan’ny ONUSIDA ho manodidina ny 70.000 ny isan'ny olona miaina miaraka amin'ny tsimokaretina VIH/SIDA eto Madagasikara. Raha ny antontan’isa azo teo anivon’ny SE/CNLS tamin’ny taona 2022 dia 9.000 isa no fantatra fa mitondra ny tsimokaretina. Amin’izao taona 2024 izao anefa dia any ho any amin’ny 15 000 isa ny olona miaina miaraka amin’ity aretina ity eto amintsika. Ny sokajin-taona eo anelanelan’ny 17 hatramin’ny 25 taona no tena mitombo ny isan’ny voa, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny SE/CNLS. Mitovitovy ihany ny isan’ny lehilahy sy ny vehivavy, saingy somary manantombo kely ny vehivavy. Mbola latsaky ny 0,5%-n’ny mponina hatreto, raha ny salan’isa no jerena, saingy mampanahy ny fitombon’ireo voany tao anatin’ny folo taona, izay nitombo avo 3 heny.

Ady marolafy

Manoloana izany zava-misy izany dia manamafy ireo hetsika ataony ho fisorohana ny fiparitahan’ny VIH/SIDA ny SE/CNLS. Miompana amin’ny ady marolafy izany, ka hiaraka hiasa amin’ny sehatra maro isan-karazany ity rafitra mpandrindra ny ady amin’ny SIDA eto Madagasikara ity. Isan’ny iaraha-miasa, ao anatin’izany, ny federasiônan’ireo trano fandraisam-bahiny sy trano fisakafoanana eto Madagasikara (FOHRM). Ny sehatry ny fizahantany mantsy no isan’ny marefo indrindra amin’ity ady amin’ny Sida ity, araka ny fanazavan’ny Dr Randriantsara Haja, sekretera mpanatanteraky ny SE/CNLS, noho izy ifaneraseran’ireo olona marefo mety ho lasibatra. Isan’ny iompanana manokana ihany koa ny sehatry ny asa, indrindra ireo mampiasa tanora. Hiara-hiasa amin’ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ny SE/CNLS ary efa nisy ny fiaraha-midinika tamin’ny ministeran’ny Mponina, ka hapetraka ny paikady mba ho tafiditra amin’ireo hetsika hatao rehetra ny momba ny ady amin’ny VIH/Sida. Hifantoka bebe kokoa amin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny asa atao.

Lire la suite

Articles Similaires