• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd.Jpg
Image
Vaovao

Biby arovana : Tratra ny tovolahy iray nivarotra gidro 2 tao anaty Facebook

14/02/2024 15:24 © Moov.Mg

Tovolahy iray nivarotra gidro, biby arovana, tao anaty tambajotra Facebook no voasambotra, vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy sy ny Polisim-pirenena.

Tsy misy fandeferana

Omaly talata no nahatrarana ity tovolahy ity, rehefa natao ny fitsongoana dia azy, taorin’ny filazana nataony tao anaty Facebook fa misy gidro roa amidy any aminy. Nozarainy tany anaty vondrona maro samy hafa izany filazana izany, ka nandray ny andraikiny ny Fitaleavana misahana ny Ady amin'ny Kolikoly eo anivon’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD). Nosamborina izy ary efa anaovana fanadihadiana. Mbola tsy nisy nividy ireo gidro ireo, fa mbola tratra tao an-tranony. Naterina teny amin’ny Valanjavaboahary Tsimbazaza ireto biby arovana ireto, taorian’izany, mba hanaraha-maso ny fahasalamany. Marihina moa fa pôlitika efa napetraky ny eo anivon’ny MEDD ny tsy handeferana mihitsy amin’ireo izay tratra mandika lalàna momba ny harem-pirenena voajanahary tahaka izao. Araka izany, manara-maso akaiky ny tranga mety hampiahiahy rehetra ny Mpitandro ny filaminana sy ny MEDD.

Tsy fahita afa-tsy eto amintsika

Karazana gidro anankiroa, izay mpihinana voankazo sy mpihinana ravina, fantatra amin’ny anarana hoe : dredrika sy varimena, ireto saika hamidy ireto, araka ny fanazavan-dRamarokoto Roger, manam-pahaizana manokana momba ny varika sady filohan’ny departemanta momba ny biby ao amin’ny Valanjavaboahary Tsimbazaza. Zanaka gidro vao telo volana monja izy ireo, izay rehefa naterin’ny MEDD teny anivon’ity Valanjavaboahary ity, dia noraisina ary arovana. Biby tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ny dredrika sy ny varimena. Toy ny karazana gidro rehetra dia voararan’ny lalàna ny fivarotana, ny fihazana, ny fihinanana sy ny fiompiana azy. Ny olom-pirenena rehetra mahatsikaritra tranga fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary dia afaka miantso ny laharana maitso 955.

Lire la suite

Articles Similaires