• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fampandrosoana ny fizahantany : Nihaona tamin’ny Cheikh Mohammed ben Rachid Al Maktoum ny filoha Rajoelina

14/02/2024 14:16 © Moov.Mg

Hihamatotra kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Emirà Arabo Mitambatra. Nisy ny fihaonana teo amin’ny filoha Andry Rajoelina sy ny filoha lefitra sady praiminisitry ny Emirà Arabo Mitambatra, ny Cheikh Mohammed ben Rachid Al Maktoum androany, niresahana ny mahakasika izany.

Fisokafan’ny habakabaka

Nisongadina tao anatin’ny fihaonana ny fisokafan’ny habakabak’i Madagasikara ho an’ny Emirate Airlines, izay ny Cheikh Mohammed ben Rachid Al Maktoum ihany koa no tomponandraikitra voalohany misahana azy. Ny firenena malagasy mantsy no iray amin’ireo firenena vitsy tsy mbola iasan’izany kompaniam-pitaterana an’habakabaka izany ary izy irery no mbola tsy miara-miasa amin’ny Emirates aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, araka ny nambaran’i Lova Hasinirina Ranoromaro, Tale misahana ny raharaha iraisam-pirenena sady mpitondra tenin’ny filohan’ny Repoblika. Nohamafisiny hatrany fa ity kaompania ity no nangataka ny fiaraha-miasa, ka zava-dehibe ho an’i Madagasikara izany. Ankoatra izay dia misy ihany koa ny tetikasa hananganana trano fandraisam-bahiny goavana any Nosy be.

Hisy komity hatsangana

Araka ny fantatra dia efa nisy ny fihaonana in’efatra miantoana niarahan’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ao Emirà Arabo Mitambatra, mba hahafahana mametraka ireo tetikasa goavana ho fanatsarana ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara ireo. Taorian’ny fihaonana androany dia hisy ny fananganana komity manokana, mba handinika ny fomba hanatanterahana ny asa. Hirosoana ny fifampiresahana sy ny dinikasa eo amin’ireo tomponandraikitry ny fitaterana eto amintsika sy avy ao Emirà Arabo Mitambatra. Isan’ny hodinihina ao anatin’izany ny fifampisasahan’ny tombon-tsoa ho azon’ny andaniny sy ny ankilany.

Lire la suite

Articles Similaires