• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fanampin-tsakafo miady amin’ny tsifanjariantsakafo : Mbola misy mivarotra ny « plumpy »

14/02/2024 10:27 © Moov.Mg

Mbola misy mivarotra eny rehetra eny hatrany ny « plumpy », izay fanafody fanampin-tsakafo natokana ho an’ny zaza tratran’ny tsifanjariantsakafo. Mbola misy ihany koa ireo mivarotra azy ao anaty tambajotra Facebook, na dia efa nisy aza ny hetsika nataon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny rantsa-mangaikany manerana ny Nosy.

Tahana tsifanjariantsakafo ambony

Iray amin’ireo firenena eran-tany tena ahitana tahana tsifanjarian-tsakafo mahery vaika sy tsifanjariantsakafo mitarazoka ambony i Madagasikara. Manodidina ny 40% tokoa mantsy ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka eto amintsika ary mihoatra ny 10% ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika any amin’ny Faritra maro, toa an’Anosy, Androy na Atsimo Atsinanana. Izany no antony nahatonga ireo mpiara-miombon’antoka nanome maimaim-poana ireo karazam-panafody misy otrikaina, toy ny « plumpy », izay handraisana an-tanana ireo zaza 6 ka hatramin’ny 59 volana, tratr’ireo karazana tsifanjariantsakafo ireo. Amin’ny maha-fanomezana maimaim-poana azy dia tsy azo amidy ny « plumpy », na inona na inona karazany. Misoratra mazava eo amin’ny fonony rahateo izany. Maro anefa ireo toerana mbola ahitana mpivarotra azy manerana ny Nosy, indrindra eny akaiky sekoly, amidy miaraka amin’ireo ody am-bavafo ho an’ny mpianatra. Hita eny an-tsena eny ihany koa izy ireny, amidy miaraka amin’ny anana sy ny voamaina ary ahitana mpivarotra azy ao anaty Facebook.

Fiheveran-diso

Amin’ny maha-karazana fanafody azy dia tsy natao ho an’ny olona salama ny « plumpy », fa vao mainka mety miteraka aretina. Natao manankarena otrikaina mantsy izy, izany hoe : mihoatra lavitra amin’ny filàn’ny vatana mahazatra. Ny hamerina aina haingana ireo ankizy manana olana noho ny tsifanjariantsakafo, no tanjona. Matavy izy no sady misy siramamy ihany koa. Araka izany, mety manentsina ny lalan-dra sy mitarika aretim-po ny menaka ao anatiny, ho an’ny olona salama. Mety hahatonga diabeta ihany koa izy ary mahatonga hatavezana tafahoatra. Misy fiheveran-diso anefa, mahatonga ny olona salama tsara sy ampy sakafo mihinana azy. Eo aloha ireo ray aman-dreny mividy ny « plumpy », hatao ody am-bavafo ho an’ny zaza. Misy ihany koa ireo mahatsiaro tena ho reradreraka, ka mitady azy ho famerenana aina ; ary ireo kelikely vatana, izay mihevitra fa afaka mampitombo lanja azy ny « plumpy ». Misy lehilahy sasany koa no mampiasa azy ho entina manatanjaka taovam-pananahana.

Voararan’ny lalàna

Ankoatra ny voka-dratsy mety hahazo ireo olona salama vokatry ny fihinanana ny « plumpy », dia miteraka olana ara-pamatsiana ihany koa ny fihinanan’ny olona tsy tokony hihinana azy an’ity fanampin-tsakafo ity. Lasa ireo zaza tokony hahazo fitsaboana aminy indray no tsy mahazo izany, satria lany ireo nomen’ny mpiara-miombon’antoka. Mety hahakivy ireo mpanohana rahateo izany, satria tsy ho atokisan’izy ireo intsony ny fomba fitantanana ny fanampiana omena an’i Madagasikara. Matoa mantsy mivoaka eny rehetra eny izy itony, dia misy olona tomponandraikitra mamoaka. Indraindray koa anefa, ireo ray aman-dreny mahazo « plumpy » hitsaboana ny zanany no mivarotra azy ireny, noho ny tsy fananana. Noho izany rehetra izany dia tokony tohizina foana ny fanentanana ny olona salama, mba tsy hihinana ny « plumpy », fa ny dokotera ihany no afaka manome izany ho an’ireo mila azy. Tokony amafisina ihany koa ny fanenjehana sy ny famaizana ireo olona mbola minia mivarotra azy itony, satria ny lalàna no mandrara ny fanaovana izany.

Lire la suite

Articles Similaires