• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy : Hikatona vonjimaika amin’ny alakamisy izao

13/02/2024 15:11 © Moov.Mg

Roa andro sisa dia hikatona vonjimaika ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (RALE). Tsy mitsaha-manentana ny mba hanatonan’ireo tsy mbola ao anaty lisi-pifidianana ny biraom-pokontany, mba hisoratra anarana, ireo mpisehatra isan-tsokajiny amin’ny fiainam-pirenena.

Nihoatra ny vinavina

Araka ny andininy faha-39 ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha-2018-008 mikasika ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, tamin’ny 11 may 2018, dia mifarana tanteraka ny 15 may ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy na ny RALE, rehefa nanomboka ny 01 desambra. Mikatona vonjimaika amin’ny alakamisy 15 febroary izao kosa izany. Raha ny nambaran’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena Misahana ny Fifidianana (CENI), Dama Arasèna Andrianarisedo, dia nihoatra ny vinavina ny fitombon’ny isan’ny olona voasoratra ao anatin’izany rejistry ny mpifidy izany, raha mitaha amin’ilay lisitra nampiasaina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Araka ny tombana nataon’ny teo anivon’ny CENI mantsy, dia mety hahatratra 2,50% izany taham-pitomboan’ny olona voasoratra ao anaty lisitry ny mpifidy izany, tamin’ity RALE ity. Raha ny angom-baovao azo avy eny anivon’ny fokontany anefa dia efa tafakatra 3,42% izany. Mpifidy vaovao maherin’ny 7 alina sy 3 hetsy, araka izany, no voasoratra anarana.

Ho an’ny demôkrasia

Manentana ny amin’ny tokony hanatonan’ny olom-pirenena rehetra eny amin’ny biraom-pokontany, mba hanoratra ny anarany ao anaty lisitry ny mpifidy, ny firaisamonim-pirenena Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy). Tsy tokony hiandry olona ho avy any an-tokantrano, araka izany. Manan-danja amin’ny ho avin’ny demôkrasia ny fisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy, hoy ny mpitondra tenin’ny Safidy, Razanamahefa Désirée Marie Stella. Ity lisi-pifidianana havaozina amin’izao fotoana izao ity mantsy no entina manatanteraka ireo fifidianana roa sosona, dia ny Solombavambahoaka amin’ny 29 mey sy ny fifidianana Ben’ny tanàna, amin’ny 6 novambra.

Lire la suite

Articles Similaires