• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Commune Urbaine De Maroantsetra
Image
Vaovao

Maroantsetra : Manao hetsika « reconnaissance d’enfant », hisorohana ny rain-jaza tsy fantatra anarana

13/02/2024 13:17 © Moov.Mg

Manatanteraka hetsika fanaovana sora-piankohonana fanjanahana zaza faobe (reconnaissance d’enfant) ny kaominina ambonivohitr’i Maroantsetra. Tanjona ny hisitrahan’ny zaza ny zony feno, na ara-pianakaviana, na ara-panjakana.

Zaza teraka ivelan’ny mariazy

Zo fototry ny ankizy ny hanana anarana sy sora-piankohonana. Ny fananany izany no ahafahana manoratra azy ao anatin’ny bokim-pianakaviana sy ny bokim-panjakana. Maro amin’ny zaza malagasy anefa no tsy mbola manana kopia nahaterahana, na ihany koa, tsy misitraka ny anaran-drainy sy ny fanjanahan’ny rainy niteraka azy. Ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Maroantsetra dia saika tsy fantatra anarana ny raim-pianakaviana, na ilay antsoina hoe : PI (Père inconnu), ao anatin’ny karapanondron’ny 70%-n’ny mponina, araka ny nambaran’ny Ben’ny tanàna, Ahmad Soilihi. Ny antony dia maro loatra ireo zaza teraka ivelan’ny mariazy ara-dalàna, araka ny fanazavana, ka ny reniny ihany no misoratra ao anatin’ny kopia nahaterahan’ilay zaza. Vitsy amin’ireo raim-pianakaviana anefa avy eo no mazoto manjanaka ny zanany. Rehefa ampy taona ka manao karapanondrom-pirenena ilay zaza, dia io PI io no lasa misoratra amin’ny karany.

Misy fiantraikany

Manatanteraka hetsika fanaovana sora-piankohonana fanjanahana zaza faobe (reconnaissance d’enfant) ny kaominina ambonivohitr’i Maroantsetra. Natomboka omaly maraina izany ary ezahina tetezina ireo Fokontany alavidavitry ny biraon’ny kaominina, mba hahatonga ny olona hazoto hanatanteraka ny fananganana ny zanany. Ny fokontany akaiky kosa dia manatona ny biraon’ny kaominina. Efa nisy ihany koa ny ezaka fisoratam-panambadiana faobe, nokarakarain’ny Kaominina an-drenivohitr’i Maroantsetra, mba hanamaivanana ny fandaniana, izay matetika ataon’ny mpifankatia ho sakana tsy hanatanterahana ny fanambadiana. Misy fiantraikany amin’ny fandovan’ny zaza any aoriana mantsy io raim-pianakaviana PI io. Misy fiantraikany ara-tsaina eo aminy ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires