• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ab
Image
Vaovao

Tontolon'ny Rock Malagasy : Nodimandry i Andry Balafomanga

08/02/2024 11:12 © Moov

Misaona indray ny tontolon'ny kanto Malagasy. Lavo ny andrarezin'ny Rock Malagasy Andry Rakotozandry, fantatra amin'ny anarana hoe Andry Balafomanga.

Jono Botry, Inona no jerijerena, ... Maro tokoa ireo hiran'i Andry Balafomanga ankafizin'ireo tia mandihy rock rehefa fetifety kely iny. Toa mananihany kely izany ny tononkirany nefa nampiala voly tokoa sady nitondra hafatra mafonja. Very olomanga i Madagasikara satria tsy mpihira ihany i Andry Balafomanga fa sady mpamoronkira, mpandihy no mpampianatra dihy ihany koa. Manana sekoly fianarana ny "rock'n'roll" mihitsy moa ny tenany. Tamin'ny taona 90 sy 2000 ny lehilahy no tena nalaza, saingy na dia nandroso aza ny taona dia tsy afaka am-bavan'ny maro ny hirany.
Araka ny nambaran'ny fianakaviany akaiky, fijanonan'ny fo no nahazo azy. Teo am-piomanana hamonjy toeram-pitsaboana no tsy tana intsony ny ainy. Vao ny 3 febroary lasa teo moa no nanatanteraka fifampiarahabana nahatratra ny taona 2024 tamin'ireo mpankafy azy ratompokolahy.

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany sy ho an'ny fianakaviamben'ny kanto Malagasy.


Copyright Image : © Andry Balafomanga

Lire la suite

Articles Similaires