• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Famatsiana rano fisotro : Miara-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo ny fandaharanasa « Miahy Jovena »

07/02/2024 16:44 © Moov.Mg

Notanterahina androany, teny amin’ny Lapan'ny Tanana Analakely, ny fanaovan-tsonia teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny vondrona AXIAN, momba ny tetikasa famatsiana rano fisotro madio ho an’ny renivohitr’i Madagasikara.

Miaro ny tontolo iainana

Fotodrafitrasa fizarana rano fisotro madio voalohany eto Madagasikara, izay azon’ny besinimaro sitrahana izy ity, tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa « Miahy Jovena ». Afaka mizara rano mangatsiaka manana maripana 10° sy rano madio tsotra ity fotodrafitrasa ity, araka ny fanazavana. Miaro ny tontolo iainana ihany ko aizy ity, amin'ny alalan'ny fampihenana ny fiparitahana sy fahabetsahan'ny fako avy amin'ny fonosana plastika ihany, satria ny mpanjifa ihany no miantoka ny tavoahangy fitoeran'ny rano hosotroiny. Araka izany dia hisy ny toerana izay hahafahan’ny olona rehetra manadio sy manakobana ary maka rano amin'ny tavoahangy.

Misokatra ho an’ny daholobe

Tafiditra ao anatin'ny fanatsarana sy fanohanana ny mahasoa ny mponina, amin'ny alalan'ny fisitrahana rano fisotro madio antoky ny fahasalamana, izao fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny vondrona Axian sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra izao. Ny « Miahy Jovena », moa dia fandaharanasan’ity vondron’orinasa ity ary ny orinasa Jovena, no mamatsy vola azy. Mbola hisy ny fanokanana amin'ny fomba ofisialy ity fotodrafitrasa ity ary aorian’izay vao afaka hisokatra tanteraka ho an'ny daholobe izany toerana fizarana rano fisotro madio sy voafantina ity.

Lire la suite

Articles Similaires