• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fandaharanasa « Hay » : Mamoha ny talentan’ny ankizy ny Fondation H

07/02/2024 15:38 © Moov.Mg

Manome vahana ny famoronan’ireo mpanakanto no ahafantarana ny Fondation H. Fa dieny mbola kely ny ankizy dia efa fohazin’ity ivon-toerana ity ny talentan’izy ireo, amin’ny alalan’ny atrikasa.

Niaina ny kanton’i Madame Zo

Mandray vondron’ankizy, mitsidika ny ivon-toerana, ny Fondation H eny Analakely, mandavan-taona, amin’ny andavanandro, ao anatin’ny fandaharanasa « Hay ». Amin’ny ankapobeny dia avy amin’ireo sekolim-panjakana, sekoly tsy miankina, sy fikambanana miahy ankizy isan-tsokajiny no raisin’izy ireo. Ho an’ny androany dia ny ankizy mpianatry ny sekoly Fanabeazana Fototra Isotry Ampefiloha, ao amin’ny kilasy T4, no nanao atrikasa teny an-toerana. Ny fampirantian’ilay artista mpanenona, Madame Zo, izay efa niranty tao amin’ny Fo ndation H nanomboka ny 28 aprily 2023, no niompanan’ny atrikasa nataon’izy ireo. Rehefa avy nitsidika ireo sangan’asan’ity mpanakanto, nodimandry tamin’ny taona 2020 ity ireto mpianatra ireto, dia nianatra nanenona ihany koa, araka ny fahaiza-manaon-dRazakatrimo Zoarinivo. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia niavaka tamin’ny aingam-panahiny ity mpanakanto mpanenona ity. Norariany avokoa na landy, na lamba, na gazety, na plastika, hatramin’ny mofo sy ny paoma aza.

Mahalala zava-baovao

Miompana amin’ny ankizy 2 hatramin’ny 18 taona ny fandaharanasa « Hay » an’ny Fondation H. Fitsidihana fampirantiana sy atrikasa mifandraika amin’izay fampirantiana misy ao amin’ny toeram-pampirantiana eto Antananarivo sy any Parisy, ary natao mifanaraka amin’ny taonan’ny vondron’ankizy mandray anjara, no atao mandritra izany. Tanjon’ny fandaharanasa « Hay » ny hahalalan’ireo mpitsidika tanora ny zavatra mbola tsy fahitany sy ny hianarany zava-baovao. Mitondra tombontsoa maro ho an’ny ankizy ny atrikasa tahaka izao, hoy Rakotoarisolofo Mampionona Fanomezantsoa, iray amin’ireo mpampianatr’ireto ankizin’ny EPP Isotry Ampefiloha ireto. Mahita zava-baovao izy ireo ary afaka mamorona ny sainy. Amin’izao rahateo, tsy ampy fialam-boly ny ankizy, hoy hatrany izy, ka mba miova amin’ny mahazatra, rehefa mivoaka toy izao.

Hifarana amin’ny 29 febroary izao ny fampirantiana ireo sanganasan’i Madame Zo. Manomboka amin’ny volana aprily dia fampirantiana mitondra ny lohateny hoe : « Memoria » indray no horaisin’ity ivon-toerana ity, ary hiompana amin’izany ihany koa ireo atrikasa natokana ho an’ny tanora sy ankizy karakarain’ny Fondation H.

Lire la suite

Articles Similaires