• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © État-Major Des Armées - Malagasy Officiel
Image
Vaovao

Amboasary Atsimo : Dahalo iray maty, omby 37 tafaverina

07/02/2024 11:13 © Moov

Nahazo vokatra tsara indray ny mpitandro filaminana "Zone de Défense et de Sécurité" (ZDS) Mandrare. Dahalo iray no lavo ary tafaverina tamin'ny tompony soa aman-tsara ireo omby efa ho efapolo.

Omaly faha 6 Febroary, tamin'ny 1ora sy sasany maraina, nisy fanafihan-dahalo sahabo ho dimy ambiny folo (15) eo ho eo, tao amina tanàna iray ao Kaomina Berano-ville, Distrikan'Amboasary Atsimo Faritra Anosy. Nirongo basimborona sy zava-maranitra ireo olon-dratsy ireo. Lasa tamin'izany ny omby miisa 37.

Firaisankina no hery

Raha vao naheno ny vaovao ireo miaramila mpanao fisafoana dia nanainga nanara-dia ireo dahalo, sady nampian'ny fokonolona tosika rahateo. Nisy ihany koa ny fangatahana fiaraha-miasa tamin'ireo sakelika miaramila hafa izy ireo mba hametraka sakana eo Amparanala amin'ny takela-by Akenson eo amin'ny lalana mizotra mankany kaomina Behara. Tamin'ny 5 ora maraina dia raikitra ny fifandonana, ka dahalo iray no lavon'ny balan'ny mpitandro ny filaminana. Azo avokoa ireo omby ka nampodiana any amin'ny tompony.

Tsy mikely soroka mihitsy ny fari-piarovana sy filaminana Mandrare (ZDS Mandrare), izay tarihan'ny Jeneraly ABDOUL Henri Auguste, amin'ny fametrahana fandriam-pahalemana amin'iny faritra iny. Mahavelom-bolo ny vahoaka tokoa izany satria miompy ny ankabeazan'izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires