• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Tetikasa PIC 3 Manakara : Hatsaraina ny endriky ny tanàna, hisintonana ny mpizahatany

26/12/2023 16:01 © Moov.Mg

Tafiditra ao anatin’ireo toerana izay ahitana fahafahana sy toetra manokana ho amin’ny fitomboana ara-toekarena, na ilay antsoina hoe « Pôles et Corridors de Croissance » i Manakara, Faritra Fitovinany. Antony nisafidianana azy hanatanterahana ny tetikasa PIC 3 (Projet Pôles Intégrés de Croissance) izany, tetikasa izay novolavolain’ny Fanjakana Malagasy miaraka amin’ny fanohanan’ny Banky Iraisam-pirenena.

Andro ho an’ny tontolo iainana

Fotodrafitrasa maro no havaozina sy hatsangana any Manakara, amin’ny alalan’io tetikasa PIC 3 io, mba hahafahana manatsara ny endriky ny tanàna, ka hahasarika mpizahatany. Isan’izany ny fanitarana ny lapan’ny tanàna, ny lalana mizotra mankany amin’ireo toerana manan-tantara, ny fanarenana ny lalamby mampitohy an'i Fianarantsoa sy Manakara (zotran-dalamby FCE). Fantatra ireo, nandritra ny fankalazana ny andro ho an’ny tontolo iainana, izay natao tany tany an-toerana. Niaraka tamin’izay dia nisy ihany koa ny atrikasa miompana amin’ny fampiasam-bola maitso, nataon’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany any an-toerana. Tanjona ny handresena lahatra ireo vondron’olona ifotony amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ka mba ho velon-tena manaja ny zava-boahary no hataon’izy ireo ary izy ireo ihany no hahazo tombontsoa voalohany amin’izany.

Lalam-pitsidihana maitso

Tafiditra ao anatin’ity tetikasa PIC 3 ity ihany koa ny famoronana sy fanavaozana lalam-pitsidihana (circuit touristique) ahafahana mankafy ny hakanton’ny natiora, toy ny fitsidihana ny lakan-dranon’i Pangalana, ny alan’i Tsiazombazaha… Ary ihany koa ny fampiroboroboana ny asa tanana mampiavaka iny Faritra iny. Misintona ny mpizahatany ny biby sy ny zava-maniry mampiavaka an’i Madagasikara. Tanjona, araka izany, ny hahafahana miaro ny tontolo iainana, hoy Ravaonirina Julienne, Tale iraisam-paritry ny fizahantany any Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Mampihena ny tsindry mahazo ny tontolo iainana ny fanomezan-danja ny fampiasam-bola maitso, hoy hatrany izy. Teny filamatr’ity andro ho an’ny tontolo iainana notanterahina tany Manakara ity moa ny hoe : « fizahan-tany manome lanja ny fampiasam-bola maitso ».

Lire la suite

Articles Similaires