Afrika : 'Ndao fantarina ny mikasika ny SADC !
Handray ny Fivoriana antampon’ireo Filoham-panjakana sy lehibena governemanta amin’ireo firenena mikambana ao anatin’ny SADC faha-45 i Madagasikara amin'ny volana Aogositra. Mbola maro amintsika nefa no tsy mahalala firy mikasika ny SADC.
Tamin'ireny krizy politika nilàna fampihavanana sy fandaminana ireny no nahenoana matetika ny teny hoe "SADC". Marobe no nametra-panonaniana hoe manana fahefana hiditra amin'ny raharaha anatiny tokoa ve io vondrona io. Tato ho ato indray, resahina matetika ny hoe handray fivorian-dehibe mikasika ny SADC i Madagasikara ary hitantana ny vondrona mihitsy aza.
Fanazavana tsotsotra mikasika ny SADC
Ny Communauté de Développement de l'Afrique Australe na Southern African Development Community (SADC) dia vondrona natsangana ho fampivoarana an'i Afrika. Ao Gabarone, Botswana, no misy ny foibeny.
Efa nisy ny Conférence pour la Coordination du Développement de l’Afrique Australe (SADCC) tamin'ny taona 1980, ireo tetikasa fampandrosoana dia nentina nampihenana ny fiankinandoha tamin'ny Afrika Atsimo nanjakan'ny Apartheid tanteraka. Rehefa rava ny Apartheid tamin'ny taona 1990, lasa SADC ny SADCC ka ny fampiroboroboana ny ekonomian'ireo firenena mpikambana no tena tanjona. Ankehitriny, miisa 15 ireo firenena mpikambana : Angola, Botswana, Congo, Lesotho, Madagascar, Malawi, Maurice, Mozambique, Namibie, Afrique du Sud, Swaziland, Seychelles, Tanzanie, Zambie et Zimbabwe.
Manaraka ny maodely eoropeana ny fomba fiasan'ny vondrona :
-Ny "Sommet" atao isan-taona no amaritana ny politikam-pitantanana. Ny "troïka" no mitarika io fihaonambe io, izay ahitana ireo filohan'ny SADC : ny teo aloha, ny amperin'asa ary ny vao hitantana.
-Ny Sampana miandraikitra ny politika, ny fiarovana sy ny fandriampahalemana. Tanjona ny hananan'ny firenena tsirairay fiadanana sy fandriampahalemana. Misy ny tan-tsoroka manokana, izay hampahafantarana ireo rehetra mety hanohintohina ny filaminana.
-Ny filankevitry ny minisitra, izay mikasika ny minisitry ny fitantanam-bola sy raharaham-bahiny eo anivon'ny firenena mpikambana tsirairay. Mivory indroa isan-taona ireo minisitra ireo mandinika ny fitantanam-bola sy ny fanomanana ny "Sommet".
-Ny Komity sy ny Sekretera, izay miantoka ny firindran'ireo asan'ny SADC.
Fampahafantarana ny tanjon'ny SADC
Manana tanjona maromaro ny SADC, ka miainga amin'izany ireo asa rehetra ataon'ny vondrona :
-Fampandrosoana sy ny fitomboana ara-toekarena, fanafoana ny fahantrana, fanatsara ny fari-piainana sy ny kalitaon'ny fiainan'ny mponina any atsimon'i Afrika, ary fanohanana ny tena sahirana ara-tsosialy amin'ny alalan'ny fampidirana isam-paritra;
-Fampiroboroboana ny fampandrosoana mizaka tena mifototra amin'ny fifanampiana iombonana sy ny fifampiankinana eo amin'ireo firenena mpikambana;
-Famolavolana soatoavina sy rafitra ary andrim-panjakana iraisana;
-Fampiroboroboana sy fiarovana ny fandriampahalemana sy ny filaminana;
-Fifanomezan-kevitra eo amin’ny paikady sy fandaharan’asa nasionaly sy isam-paritra;
-Fanohanana sy fampitomboana ny fitrandrahana sy ny fampiasana mamokatra ny harenan'ny faritra. .Fampiasana maharitra ny harena voajanahary sy ny fiarovana ny tontolo iainana mahomby;
-Fanamafisana ny fifandraisana sy fifandraisana ara-tantara, ara-tsosialy ary ara-kolontsaina hatry ny ela eo amin'ny mponina ao amin'ny faritra.
Fitantanam-bola eo anivon'ny SADC
Mandray anjara amin’ny teti-bolan’ny SADC ny firenena mpikambana, ny vola miditra amin’ireo orinasa ao aminy, ary ny vola miditra avy amin’ny faritra sy tsy avy amin’ny faritra. Noho izany, mamatsy vola ny sasany amin'ireo hetsika sy tetikasan'ireo firenena mpikambana ny SADC, mikasika ny fitaterana, angovo, rano, fanabeazana, fahasalamana, sns.
Tsy mizara vola mivantana izany ny SADC, fa mety manohana ny hetsika isam-paritra sy ny tetikasa fampandrosoana eo amin’ny fiarahamonina. Izany moa dia tafiditra ao anatin'ny fampiroboroboana ny fitomboana ara-toekarena, ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ary ny fampiraisana isam-paritra, ary koa ny fandriampahalemana sy filaminana ao amin’ny faritra.
Araka ny "Plan d'Activités institutionnel annuel 2025-2026", natao tamin'ny volana Marsa 2025, 178 985 208 USD ny teti-bolan'ny SADC, ka ny 156 077 820 USD dia azo avy amin'ny fandraisana anjaran'ny firenena mpikambana (Etats Membres/ EM) ary ny 22 907 388 USD kosa dia atolotr'ireo mpanohana iraisampirenena (Partenaires internationaux de coopération/ PIC).
Fitantanana ny SADC
Ny Filohan'ny SADC, na hoe "Chairperson", no manana ny ambaratonga ambony indrindra amin'ny rafi-pitantanan'ny SADC. Tafiditra ao anatin'ny andraikiny amin'ny ankapobeny ny fahaizana mitantana ny politika sy manara-maso ny asan'ny SADC. Mifandray amin’ny mpiasan’ny sekretera SADC ihany koa izy, manome tari-dalana sy manao sonia ireo fitaovana ara-dalàna ao amin’ny SADC mandritra ny fe-potoam-piasany.
Taorian'i Angola, i Zimbabwe no mitantana ny SADC amin'izao fotoana izao, amin'ny alalan'ny filoham-pireneny, Emmerson Dambudzo Mnangagwa. Nandray ny fitantanana ny tenany tamin'ny fihaonambe faha-44 an'ny SADC natao tany Zimbabwe tamin'ny Aogositra 2024. Amin'ity fihaonambe faha-45 ity indray, i Madagasikara no handray ny fitantanana ny SADC, amin'ny alalan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.