• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Franceinfo
Image
Vaovao

Fianianan’ny filohan’ny Repoblika vaovao : Azo aroso mialohan’ny volana janoary, hoy ny mpanao lalàna

23/11/2023 06:02 © Moov.Mg

Raha ny fironam-bokatra avoakan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) hatreto, dia tsy hisy intsony ny fihodianana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho an’ity taona 2023 ity, fa lany avy hatrany tamin’ny fihodinana voalohany notontosaina ny 16 novambra lasa teo ny kandida laharana faha-3, Andry Rajoelina.

Fanontaniana mipetraka, manolona izany, ny hoe : azo irosoana avy hatrany ve ny fianianana, ahafahany mandray ny toerana maha-filoham-pirenena azy, sa mila miandry ny volana janoary ?

Tsy voararan’ny Lalàmpanorenana

Tsy mametra ny daty tsy maintsy anaovan’ny filoham-pirenena vaovao vao lany ny fianianany, ny Lalàmpanorenana malagasy, araka ny fanazavana nentin’Andrianandrasana Hajaniaina Tahina, Loholona sady mpahay lalàna. Araka izany dia azo atao tsara ny miroso avy hatrany amin’ny fianianana, fa tsy voatery hiandry ny datin’ny 19 janoary 2024, izay heverina fa tokony hanatanterahana izany fianianana izany. Lamina sy rindra no atao, hoy izy, dia azo irosoana ny fianianan’ny filoham-pirenena vaovao, raha vao mivoaka ny voka-pifidianana ôfisialy avy amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Araka ny fanazavan’ity mpahay lalàna ity hatrany, dia ny fifamindram-pahefana teo amin’i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina, no nahatonga ny fiandrasana ny datin’ny 19 janoary, tamin’ny taona 2019, fa azo ovaina tsara izany, araka ny vanim-potoana sy ny zava-misy.

Nanipika kosa anefa ny Loholona Hajaniaina Tahina Andrianandrasana, fa tsy maintsy hajaina ny fe-potoana ilain’ny CENI sy ny HCC amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Tafiditra ao anatin’izany ny fandinihana ireo fitarainana voaray avy amin’ireo Kandida sy ny olom-pirenena. Ny CENI manokana dia efa nanambara fa tsy maintsy ho feno ny vokatra, mialohan’ny 24 novambra, ka aorian’izay no hamoahan’ity rafitra ity ny voka-pifidianana vonjimaika. Nilaza kosa i Florent Rakotoarisoa, filohan’ny HCC, fa ho tratra araka ny fe-potoana voalazan’ny lalàna ny famoahana ny voka-pifidianana ôfisialy. Efa nanomboka nikirakira ny voka-pifidianana, avy amin’ny alalan’ny antontan-taratasin-datsa-bato avy amin’ny sampana mpanisa vato eny anivon’ny distrika (SRMV) ny HCC. Efa manodidina ny 50% isan-jato no vita, hoy hatrany ny fanazavana. Araka ny lalàna, 9 andro aorian'ny famoahan'ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika, fara-fahatarany, no hamoahan’ny HCC ny voka-pifidianana ofisialy.

Lire la suite

Articles Similaires