• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Vaovao

Fahasalaman’ny ankizy : Mifantoka amin’ny andraikitry ny serasera ny fikaonan-doha atao any Togo

22/11/2023 15:48 © Moov.Mg

Tontosaina any Lomé Togo, nanomboka omaly 21 novambra ary hitohy hatramin’ny rahampitso 23 novambra, ny fikaonan-doha voalohany momba ny Fahasalaman’ny ankizy, ny Vaksiny ary ny Fanjariantsakafo, karakarain’ny Tambazotran’ireo Haino aman-Jery Afrikanina ho an’ny Fahasalamana sy ny Tontolo iainana (REMAPSEN), miaraka amin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF). Mandray anjara amin’izany i Madagasikara.

Anjara asa goavan’ny mpanao gazety

Tanjon’ity fikaonan-doha ity ny fanamafisana ny serasera miompana amin’ny fisorohana sy ny fandraisana an-tanana ireo aretina mpahazo ny ankizy, ny vaksiny ary ny fanjarian-tsakafon’izy ireo, araka ny fanazavan’i Bamba Youssouf, filohan’ny REMAPSEN Afrika. Noho izany indrindra dia hitondra fanazavana, fampahafantarana ary famelabelaran-kevitra ho an’ireo mpanao gazety manatrika ity fihaonana ity, ireo manam-pahaizana isan-tsokajiny momba ny fahasalaman’ny ankizy, mandritra ireo telo andro hanatanterahana ny fihaonana. Nanamafy ny filohan’ny REMAPSEN Afrika fa manana anjara asa goavana amin’ny ady atao amin’ireo aretina mpahazo ny ankizy ny mpanao gazety, amin’ny alalan’ny asa fampitam-baovao ataony isan’andro. I Vonona Rakotondratsimba, mpandrindra nasiônalin’ny REMAPSEN Madagascar moa, no solontena malagasy manatrika ity fikaonan-doha ity.

Zaza « daozy aotra » betsaka

Manodidina ny 40%-n’ny zaza Malagasy no tratran’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka ary manodidina ny 5% ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika sy tampoka eto amintsika. Etsy an-daniny, isan’ireo firenena ahitana zaza « daozy aotra » betsaka indrindra i Madagasikara, izany hoe : zaza tsy nanao, na iray aza, amin’ireo vaksiny tokony atao, izay maimaim-poana ihany koa. Zaza 1 amin’ny 3 eto amintsika no voakasik’izany. Antony mbola maha-ambony ny taham-pahafatesan’ny ankizy eto Madagasikara izany. Raha ny antontan’isa nivoaka avy amin’ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana (EDS) tamin’ny taona 2021, dia ankizy 47 isa no mamoy ny ainy eto Madagasikara amin’ny fahaterahana velona 1 000 isa. Manana andraikitra mampivoatra izany zava-misy izany ny tsirairay, tafiditra ao anatin’izany ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny serasera.

Lire la suite

Articles Similaires