Intoxication alimentaire : 20 no maty ho an'Antananarivo sy Mahajanga
Nahitana trangana fahapoizinana ara-tsakafo ny renivohi-paritany telo, dia Antananarivo, Mahajanga ary Toamasina. Miisa 20 no maty, hatramin'ny amin'ny talata 17 jona.
Antananarivo
17 no isan'ny maty, tamin'ireo namonjy fety teny Ambohimalaza Imerikasinina. Araka ny valin'ny fitiliana natao tamin'ireo ambin-tsakafo sy tao amin'ilay toerana nikarakarana ny sakafo, fahapoizinana noho ny akora mahery vaika no nahafaty ireo olona ireo. Mbola maro ihany koa ireo manaraka fitsaboana. Mahavelom-panantenana ireo fianakaviana mitsabo marary ny nahita olona 4 tsy misy ahiana intsony ny toe-pahasalamany ka nalefa nody.
Tsiahivina fa nakaton'ny Ministeran'ny Fizahantany ilay toeram-pilanonana nitrangan'ny loza. Tsy manana alalana hanao asa fandraisambahiny sy fampisakafoanana rahateo ilay "Espace" voakasika.
Mahajanga
Aina 3 be izao no nafoy tao Mahajanga, ka zazavavikely roa taona ny iray amin'ireo. Vokatry ny fihinanana "charcuterie" tamin'ny alahady lasa teo no nahatonga ny fahapoizinana ara-tsakafo. Mbola misy olona 5 tsaboina, ka ahiana ny ain'ny iray amin'ireo. Fianakaviana kely tao Tsaramandroso moa no tena voakasik'izao voina izao.
Mba ho fisorohana ny loza, entanina ny mponin'i Mahajanga mba tsy hihinana ireo karazana Charcuterie aloha, mandra-pivalin'ny fitiliana. Efa natombok'ireo tompon'andraikitra ny fanadihadihana mba hiarovana ain'olona maro.
Toamasina
Tany amin'ny faritra Atsinanana kosa, "godrogodro au coco" no niteraka fahapoizinana ara-tsakafo. Olona 6 no voalaza fa niditra hopitaly. Tsy misy maty kosa nefa tany an-toerana. Andrasana nefa izay mety ho fivoaran'ny toe-pahasalaman'ireo manaraka fitsaboana. Mety mbola hitombo ihany koa ireo olona hanantona toeram-pitsaboana noho ny fihinanana izany vokatra izany.
Fampitandremana
Tato anatin'ny andro vitsy, aina maro no nafoy noho ny sakafo simba na maloto. Lakolosy fanairana ho an'ireo mpisehatra amin'ny fanamboarana sy fivarotana sakafo rehetra izany. Matetika mantsy dia ampiasaina na amidy foana ilay vokatra na dia tsy voatahiry sy madio tsara aza, mba tsy hisedra fatiantoka. Etsy ankilany, asaina isika mpanjifa rehetra hifidifidy ny sakafo hanina sy ireo ampiasaina. Singanina manokana ny Charcuteries sy ny karazana tsakitsaky amidy eny rehetra eny. Fadiana ny sakafo tsy anaty "vitrine" na anaty "vitrine" ihany saingy misy lalitra na bibikely hafa mandehandeha. Zon'ny mpanjifa ihany koa ny mijery ny lakozia raha ilaina.
Heverina fa hampitombo ny fihinanana vokatra natoraly sy hampivoatra ny fahadiovana eto Madagasikara izao tranga mampivarahontsana izao.