• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © No Comment
Image
Vaovao

Ninie Doniah : Nodimandry ny « Mpanjakavavin’ny Salegy »

20/11/2023 11:01 © Moov.Mg

Nodimandry omaly, teo amin’ny faha-56 taonany, i Eliane Bezara Virginie, izay fantatra amin’ny anarana maha-mpanakanto azy hoe : Ninie Doniah. Narary mafy tao amin’ny fonjan’i Nosy Be izy ary handeha ho entina hamonjy ny hôpitalin’Antsiranana, no izao nindaosin’ny fahafatesana izao.

Narary tany am-ponja

Ny volana jona 2022 i Ninie Doniah no nosamborina, vokatry ny resaka ady tany, ary voaheloka 6 volana an-tranomaizina sazy mihatra. Mbola tsy tafavoaka ny fonja izy dia efa nisy indray ny didy fampidirana azy am-ponja vonjimaika navoakan’ny fitsarana tao Nosy Be. Ny volana aprily lasa teo izy no voaheloka indray higadra 18 volana an-tranomaizina sazy mihatra. Nandritra ny fanokafana ny andiany faha-10 tamin’ny hetsika Sômarôho farany teo, dia nandohalika sy nangataka an-dranomaso ny hamoahana azy avy ao am-ponja i Joël Isoubaly Andriamahazo, na i Wawa. Mbola ny volana jona 2024 moa vao tokony hivoaka ny fonja i Ninie Donia, saingy efa elaela no nahenoana ny tsy fahasalamany.

Zafikelin’i Volazara

Ankoatra ny fidirany an-tsehatra tamin’ny fiainana ara-pôlitika teto Madagasikara dia ny maha-mpanakanto azy no tena nahalalan’ny maro an’i Ninie Doniah. Teraka tamin’ny 15 agositra 1967 tao Nosy Be Hell-Ville izy ary tamin’ny taona 1995 no nanomboka nihira. "Tsara olobe", fampiaraham-peony tamin'i Bilo, no nahafantarana azy voalohany. Teo ihany koa « Malilo », "Mandiadiasa", "Salegy jazz" sy ny maro hafa. Manodidina ny 6 ny raki-peo efa navoakany. Nomena ny anaram-boninahitra « Mpanjakavavin’ny Salegy » izy, noho izy sangany indrindra tamin’ireo vehivavy malagasy vitsy dia vitsy miangaly ity gadona ity. Azo lazaina ho nolovainy tamin’ny renibeny ny talentany. Tsy iza izany fa i Volazara, izay fanta-daza tamin’ny fiangaliana ny jijy, vakodrazana Antakarana. I Volazara ihany koa, fony fahavelony, no reny mpiahy ny Festival Donia fanao any Nosy Be, izay isan’ny nahatonga ny anaran-tsehatra nosafidian’i Eliane Bezara Virginie. Teny an-dalana miala kely an'Ambilobe hamonjy an'Antsiranana saika hitsaboana azy i Ninie Donia no tsy tana intsony ny ainy. Efa tonga tao Nosy Be androany maraina ny vatana mangatsiakany. Vahoaka maro no tonga nitsena azy teo amin'ny seranan-tsambo.

Lire la suite

Articles Similaires