• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 13 hatramin'ny 19 novambra 2023

20/11/2023 08:13 © Moov.Mg

Araho indray ireo vaovao nisongadina nandritra ny herinandron'ny 13 novambra 2023

Ireo vaovao mikasika ny fifidianana no tena nanamarika iny herinandro lasa iny. Tsy adino kosa nefa ireo tranga sosialy, ekonomika sy fanatanjahan-tena.

Fifidianana 2023 # Tontosa soa aman-tsara

Maro ny sampona nitranga talohan'ny fifidianana. Nisy mihitsy aza ny fangatahana ny hanemorana izany, na am-bava na an-tsoratra. Nizotra an-tsakany sy an-davany nefa izany fifidianana filoham-pirenena izany ny 16 novambra lasa teo, manerana an'i Madagasikara. Tamin'ny 6 ora maraina hatramin'ny 5 ora hariva no nandraisana ireo mpifidy. Tsikaritra fa ho an'Antananarivo manokana dia nanohy ny fiainany andavan'andro ny maro, ka somary ambany ny tahan'ny fandraisana anjara (taux de participation). Misy mihitsy aza ireo nisafidy ny hitsangatsangana noho ny maha-andro tsy fiasana ny tamin'ny alakamisy.

Valim-pifidianana # Mivoaka ny vokatra vonjimaika

Ezahin'ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) havoaka amin'ny zoma 24 novambra izao ny voka-pifidianana vonjimaika. Mbola mandalo any amin'ny HCC nefa izany vao azo lazaina fa manan-kery. Efa misy kosa nefa ny famoahana ny fironam-bokatra, nanomboka ny alin'ny 16 novambra lasa teo. Mitarika hatrany ny kandidà laharana faha-3, Andry Rajoelina. Manaraka azy i Siteny Randrianasoloniaiko sy i Marc Ravalomanana. Raha ny vokatra hita hatreto, tsy ilaina ny hanatanterahana fihodinana faharoa amin'ny fifidianana filoham-pirenenena.

Collectif des candidats # Tsy nandray anjara tamin'ny fifidianana

Nanentana ireo olom-pirenena tsy hifidy ny Collectif des candidats noho ny fiheverana fa ho feno hosoka izany. Ny andron'ny 16 novambra, tsy nisy nandatsa-bato ireo kandida ho filoham-pirenena mivondrona. Tsy nandefa délégués ihany koa izy ireo, teny amin'ireo biraom-pifidianana. Mazava ho azy, tsy nisy nitonona ho mpanara-dia azy ireo nanatrika ny fanisam-bato. Araka ny hita amin'ny voka-pifidianana, nahazo mihoatra ny 10% ny kandida Marc Ravalomanana na dia tsy nanatanteraka fampielezan-kevitra aza.

Hetsika fotsy # Mbola nitohy ary mbola hitohy

Na dia herinandron'ny fifidianana aza iny herinandro lasa iny, nisy ny hetsika fotsy ny alatsinainy sy talata. Teny Itaosy, Anosy, Ambatomainty sy Analamahitsy ny Collectif des candidats sy ireo mpanara-dia. Taorian'ny fifidianana kosa, nanambara izy ireo fa mbola hanohy ny tolona, ary hihamafy izany. Ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana dia efa nanatontosa fihaonana tamin'ireo mpanara-dia azy ny zoma 18 novambra lasa teo. Samy manamafy, amin'ny pejiny avy amin'ny tambazotra sosialy, ireo kandida, fa hanohy ny tolona.

Antenimierampirenena # Mijanona ho mpanelanelana

Mitohy hatrany ny fanelanelanana tarihan'ny filohan'ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa. Iarahany amin'ny FFKM sy ireo mpanao politika isan-tokony eto amin'ny firenena izany. Raha tsiahivina dia nisy ny fanambarana nentina nitakiana ny fanemorana ny fifidianana. Azo lazaina fa tsy nanan-kery izany, ary notsipahin'ny governemanta. Tsy vitsy ireo mpanao politika sy olom-pirenena manahy ny hanesorana an'i Christine Razanamahasoa eo amin'ny toerany.

Oniversiten'Antananarivo # Miverina ny fampianarana

Ny zoma 18 novambra lasa teo no namoaka fanambarana ny SECES fa hamerina ny fampianarana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nanamafy nefa ireo mpampianatra sy mpikaroka fa tsy mijanona ny tolona, satria mbola tsy nivaly ireo fitakiana. Nangataka izy ireo mba hitsaharan'ny fampitahorana isan-karazany.
Mila roapolo herinandro farafahakeliny ny famitana ny taom-pianarana 2022-2023, ka mety hisy fahatarany ny fidiran'ny mpianatra manaraka.

Coupe du monde # Lavo ny BAREA

Resin'i Ghana tamin'ny isa 1-0 ny ekipam-pirenena Malagasy, ny Zoma 17 novambra lasa teo. Niady tokoa ny lalao satria efa tany amin'ny minitra farapafany ny ganeana vao nahafaty baolina. Tsy mahakivy nefa izany satria mitohy ny fandraisana anjara. Rahariva dia hihaona amin'i Tchad i Madagasikara. Mbola tsy kivy ny Barea fa hanao izay fara-heriny handresena an'i Tchad.

Dadafara Barea # Namoy ny vadiny

Efa tany Ghana i Dadafara no naheno ny vaovao ratsy : nodimandry ny vadiny izay nitondra vohoka. Voatery nody ny lehilahy niatrika izany fahoriana mavesatra izany ka tsy nanatrika ny lalao fifanintsanana amin'ny Coupe du monde 2026. Ao anatin'ny andro manjombona tanteraka i Dadafara satria vao tamin'ny volana aprily no namoy ny zanany lahikely. Mankahery ny mpilalao sy ny zanany vavy ary ny fianakaviany manontolo.

Ninie Donia # Maty tanaty "ambulance"

Omaly, 19 novambra, no nindaosin'ny fahafatesana ny mpanjakan'ny salegy, Ninie Donia. Efa volana maromaro ny tenany no narary tany am-ponja. Nanao "crise" izy omaly maraina ka nentina tao amin'ny hopitaly iray tao Nosy-Be. Tsy vitan'ny tao an-toerana nefa ny fitsaboana ka nokasaina hafindra any Antsiranana ny tenany. Tamin'ny 3 ora hariva latsaka teo ho eo no tonga ny ambulance naka azy. Teny an-dalana nefa dia tsy tana ny ainy.

Midongy Atsimo # Mandripaka ny pesta

Olona valo no namoy ny ainy noho ny aretina pesta tao Midongy Atsimo, araka ny tatitry ny zandarimaria tamin'ny 17 novambra lasa teo. Ny 5 novambra no nisy aina nafoy voalohany tao amin'ny fokontany Ankazomanga, kaominina Ankazovelo. Raim-pianakaviana 52 taona io nindaosin'ny fahafatesana io. Mbola tao amin'io toerana io ihany, dia nahafatesana olona 4 tao anatin'ny andro iray, izany hoe ny 14 novambra. Efa mandray ny fepetra rehetra isorohana ny fiparitahan'ny aretina ny mpitsabo any an-toerana. Nisy ihany koa ny fanentanana ireo mponina rehetra.

Diabeta # Andro eran-tany

Nankalazaina ny 14 novambra lasa teo ny andro eran-tany ho an'ny diabeta. Ny 4 %-n'ny Malagasy no manana toe-tena diabetika, raha ny salan’isa avy any amin’ny Sampandraharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS). Lasa toe-batana izy io, izany hoe tsy azo sitranina, saingy azo atao sy tokony atao kosa ny mandamina azy, mba tsy hitarika fahasarotana, toy ny aretin’ny fo sy ny lalandra.

Lire la suite

Articles Similaires