• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fintim-baovao: Ireo vaovao nisongadina ny 31 jolay - 06 aogositra

07/08/2023 01:48 © Moov.Mg

Atolotra anao ireo vaovao namarika ny herinandro lasa, dia ny 30 jolay hatramin'ny 06 aogositra. Mafana hatrany ny raharaham-pirenena eo amin'ny sehatra politika amin'izao ankatoky ny fifidianana izao. Tsy azo adino nefa ireo vaovao maro mikasika ny sosialy, ny ekonomia, ny fanatanjahan-tena ary ny Kolontsaina.

Ambatobe : Notokanana ny lapan'ny Teny Tonga Nofo

Notokanana ny Salle d’oeuvre # Lapan’ny Teny Tonga Nofo eo anivon’ny EKAR SVD Ambatobe.

Io toerana io dia natao hanamafy ny finoana, hampianarana ireo ankizy sy ireo tanora ny katesizy, hanaovana fiatahana masina sy laretirety, atrikasa, fiofanana sy fivoriana ary fety eo anivon’ny fiangonana katolika, araka ny nambaran'ny fitondram-panjakana.


Copyright Image : © PRM

CNaPS : Vimbina … no Tale jeneraly vaovao

Manoloana ny savorovoro nisy teo amin’ny fintantanana ny CNaPS dia voatery nesorina tamin’ny toerana ireo mpitantana teo aloha. Fantatra nandritra ny filan-kevitry ny ministra ny Alarobia 02 Aogositra teo ary ny anaran’izay mpitantana vaovao ny CNaPS, dia tsy iza izany fa i Rahaingonjatovo Vimbina.
Izy indray, araka izany no hitantana ny CNaPS taorian’i Joslina Tsaboto, izay Tale jeneraly mpisolo-toerana. Taorian’ny fitànana am-ponja vonjimaika ity farany moa dia nanatanteraka fitokonana ireo mpiasa eo anivon’ny CNaPS, izay manameloka io fisamborana io. Tetsy an-dàniny dia nangataka ny hiverenan’ny fisokafan’ny CNaPS araka ny tokony ho izy ireo mpiasa sy mpampiasa izay mandrotsaka vola ao amin’ny CNaPS.


Copyright Image : © Vimbina R

Andry Rajoelina : Nandray ireo diplomaty efatra vaovao teny Iavoloha

Diplomaty efatra vaovao no tonga nanolotra ny taratasy manendry azy ireo hiasa eto Madagasikara teny Iavoloha ny Alarobia 2 Aogositra lasa teo. Nandray azy ireo teny an-toerana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Nisantatra izany ny masoivohon’i fanjakana Arabie Saoudite, Fahd Abdullah Fahd Aleisa. Nanaraka azy tao ny masoivohon’i Seychelles, Claude Morel. Teo ihany koa ny masoivohon’i fanjakan’i Belgique, Peter Maddens. Noraisin’ny filoham-pirenena ihany koa ny masoivoho vaovaon’i Repoblikan’i Congo dia tsy iza fa i Serge Bounda izany.
Noresahana nandritra ny fihaonana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ireo firenena efatra ireo. Nomen-danja manokaa tamin’izany ireo tetikasa fampandrosoana izay iarahan’i firenena Malagasy miasa amin’ireo firenena vahiny ireo. Tafiditra tao anatin’izany ohatra ny lafiny fitandroana ny filaminana, ny fandraharana, ny tontolo iainana sy ny fampiasana ny angovo azo avaozina.


Copyright Image : © PRM

Hihazo an’i Rwanda ny Filoham-pirenena mivady

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra ny alarobia 02 Aogositra lasa teo fa hanatanteraka fitsidihana ofisialy any amin’ny Repoblikan’i Rwanda ny filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady, ny 07 sy ny 08 Aogositra. Izao no atao dia ho fanekena ny fanasana manokana izay nataon’ny Filoha Rwandais, Paul Kagame.
Hanara-dia ny filoha mivady ihany koa ireo mpikambana sasan’ny governemanta, ireo loholona ary ireo solo-tenan’ny sehatra tsy miankina. Fantatra ihany koa fa hisy ny fifanaovan-tsonia maromaro eo amin’ny roa tonta, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa. Rwanda moa dia anisan’ireo firenena afrikanina nahitana fandrosoana ara-ekonomika miavaka tato anatin’ny taona maromaro izay.


Copyright Image : © PRM

Mamy Ravatomanga : Voatendry ho « Consul honoraire » an’i Repoblikan’i Côte d’Ivoire

Tonga nanolotra ny « Consul honoraire »-ny vaovao hiasa eto Madagasikara teny amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny ny delegasiona notarihin’i Masoivohon’i Côte d’Ivoire, Sakaria Kone. Fantatra tamin’izany fa i Maminiaina Ravatomanga no lany ho Consul honoraire an’i Côte d’Ivoire miasa eto Madagasikara.
Nandritra ny fihaonana teo amin’ny telo tonta dia noresahana manokana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Côte d’Ivoire. Tapaka fa ho amafisina izany. Nambara tamin’izany ihany koa fa dingana iray lehibe ho amin’ny fijerena ny tombotsoa iombonan’ny firenena roa tonta izao fanendrena « Consul honoraire » an’iCôte d’Ivoire vaovao izao, izay marihina fa tera-tany malagasy.


Copyright Image : © Mamy Ravatomanga

Mitohy ny hetsika « Université morte »

Niroso tamin’ny hetsika « Université morte » ireo mpampianatra sy mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny SECES ny 19 jolay lasa teo. Araka ny tapak’izy ireo teo anivon’ny fivoriambe ny 18 jolay dia tokony ho telo andro ihany ny faharetan’izany. Mandritra io hetsika « Université morte » io dia nihato avokoa ny fampianarana sy ny fanadinana isan-karazany eny amin’ny anjery manontolo. Nihato ihany koa ireo fikarohana samihafa ataon’ireo mpampianatra mpikaroka.
Taorian’io fe-potoana telo andro io anefa dia mbola tsy nisy ny valiny mahafa-po izay nandrasan’izy ireo. Tapaka ary fa ho tohizana ny hetsika « Université morte » ary haharitra hatramin’ny Alatsinainy 07 Aogositra izany. Raha tsiahivina dia miompana amin’ny fangatahana ny tambin-karaman’izy ireo nandritra ny taona 2018 – 2019, ny taona 2019 – 2020, ary ny taona 2020 – 2021 io hetsika io. Tao ihany koa ny fandohavana ny tambin-karama tamin’ny fikarohana nataon’ireo mpampianatra mpikaroka misotro ronono nanomboka tamin’ny 2018.


Copyright Image : © SECES

Sômaroho 2023 : Mankalaza ny faha 10 taonany

Tamin'ny 2 aogositra lasa teo no nosokafana ny Festival Somaroho 2023, andiany faha-10. Ao Nosy Be hatrany moa no anatanterahana ny hetsika. Nifarana ny alin'ny alahady 6 aogositra 2023 ny fampisehoana isan-kariva, saingy mbola misy ireo hetsika samihafa amin'ity herinandro ity. Ny alahady 13 aogositra ny famaranana ofisialy, amin'ny fisarihana ny tombola ahazoana fiara 4*4.
Miavaka ny Somaroho 2023 satria sady fankalazana ny faha-20 taonan'ny tarika Wawa. Ny 4 aogositra teo moa dia nanotrona ny fety ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny zanany mirahalahy. Mpizahatany maro, Malagasy sy vahiny no tonga any an-toerana amin’izao fotoana, manatrika ny hetsika izay efa nampalaza an’i Nosy Be nandritra izay 10 taona izay.


Copyright Image : © TELMA

Lalaon’ny Frankofonia : Medaly volamena telo ho an’i Madagasikara

Nandrombaka medaly volamena telo i Madagasikara nandritra ny lalaon’ny Frankofonia izay natao tany Kinshasa, any Congo. Nifarana anio Alahady 06 moa ny hetsika, izay nanomboka ny .. lasa teo. Nahitana solo-tena Malagasy avokoa na ireo taranja Fanatanjahantena, na ireo taranja Kolontsaina.
Ho an’i taranja fanatanjahantena dia nanokatra ny medaly volamena ho an’i Madagasikara i Sidonie Fiadanantsoa, izay nivoaka ho tompondankan’ny Lalaon’ny Frankofonia teo amin’ny hazakazaka 100 m mifefy. Tao anatin’ny 13,10 no nahavitany izany halavirana izany. Namiratra ihany koa i Madagasikara teo amin’ny taranja Judo. Nandrombaka ny medaly volamena i Rasoanaivo Laura teo amin’ny taranja Judo sokajy latsaky ny 70 kg, rehefa nandavo an’ilay kanadiana Biron Laurence teo amin’ny lalao famaranana. Raha ho an’ny sokajy kolotsaina kosa dia kosa dia nibata ny medaly volamena i Richianny Ratovo, tamin’ny alàlan’ny sangan’asany « Hay ny tsiky manaloka ».


Copyright Image : © MJS-MSK

ASIEF – Toamasina : Nandray anjara ireo mpikambana ao amin’ny governemanta

Ny Alatsinainy 31 jolay lasa teo no nanomboka ny lalao izay karakarain’ny ASIEF. Lalao natokana ho an’ireo mpiasam-panjakana manerana ny Nosy moa izy ity. Mpiasa maherin’ny 20 000 araka izany no mandray anjara amin’izany hetsika izay, izay marihina fa tsy hifarana raha tsy ny Sabotsy 12 Aogositra ho avy izao.
Anisan’ny nandrasan’ny maro ny fiakaran’ireo ministra teny ambonin’ny kianja. Hita nandray anjara mavitrika tamin’ny taranja baolina kitra ohatra ny ministry ny Jono sy ny Toekarena Manga, ny ministry ny Fiarovam-pirenena, ny ministry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro, ary ny ministry ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy.
Teo amin’ny taranja Basket-ball sy Handball kosa no nahitana ny Praiministra, ny ministry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetry ny andro, ny ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny ministry ny Asa-tànana sy ny Hai-tao, ny ministry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, ny ministry ny Filaminam-bahoaka, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, sns. Nahafinaritra ny maro ny nahita azy ireo niakatra teny ambonin’ny kianja.
Basket Ball : 30 ( Gouvernement) - 26 (Autorités locales)
Volley Ball : 1 (Gouvernement) - 1 (Région Atsinanana).


Copyright Image : © MEF

Antsirabe : Nisy fiakarany ny saran-dàlana ho an’ny zotra mihazo an’i Toamasina sy Mahajanga

Nisy fiarakany 10 000 ariary ny saran-dàlana ho an’ireo zotra mampitohy an’Antsirabe – Toamasina sy Antsirabe – Mahajanga, nanomboka ny Zoma 04 Aogositra lasa teo. Raha 40 000 ariary ny saran-dàlana ho an’Antsirabe sy Toamasina teo aloha dia lasa 50 000 ariary izany ankehitriny. Niakatra ho 70 000 ariary kosa izany ho an’Antsirabe sy Mahajanga raha toa ka 60 000 ariary izany talohan’izao fiakarana izao.
Ho an’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny « gare routière » kosa dia fanitsiana ny saran-dàlana no natao fa tsy sanatria fampiakarana. Araka ny nambaran’izy ireo hatrany dia efa tamin’ny fisokafan’ny fifamezivezena tamin’ny fotoanan’ny COVID-19 no ireo 40 000 ariary sy 50 000 ariary ireo no saran-dàlana, koa fotoanany izao raha hampiharina amin’izany ny fanitsiana izany saran-dàlana izany.


Copyright Image : © TVPlus

Lehilahy dimy mpiloka amoron-dàlana no nosamborin’ny polisy

Tranga tsy dia fahita firy indray no hita teny anivon’ny fiaraha-monina teny tamin’iny herinandro iny. Lehilahy lehibe miisa dimy mpiloka amoron-dàlanano voatery nosamborin’ny polisy. Rehefa nentanina tsy hiloka an-dàlambe ireto lehilahy lehibe dia mbola ninia tsy nankatoa izany ihany. Voatery niroso tamin’ny fisamborana azy ireo ny polisy noho izany.
Tsara ary ny mahafantatra fa voararan’ny lalàna ny miloka an-dàlambe. Voakasik’izany avokoa rehefa lalao hampiasana vola, toa ny mena mahazo, ny kidia kely, ny tourniquet, ny domi sy ny maro hafa koa. Etsy an-dàniny dia mampahafantatra ny polisim-pirenena fa hiroso amin’ny fisamborana ireo izay mbola minia tsy manaraka izany lalàna izany izy ireo manomboka izao, satria efa maro ny fanentanana sy ny fampahafantarana izay natao.


Copyright Image : © Polisim-pirenena Malagasy

Lire la suite

Articles Similaires