• Cours de change
  • 5233.93 AR
  • |
  • $4534 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Aretina « bronchiolite » : 3 na 4 isan’andro ireo zaza miditra eny amin’ny hôpitalin’ny zaza eny Ambohimiandra

19/01/2026 16:41 © Moov.Mg

Mbola ao anatin’ny vanim-potoana mampirongatra ireo aretina mpahazo ny zaza isika eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Isan’izany ny aretin’ny taovam-pisefoana, « bronchiolite ».

Aretina mpahazo ny zaza

Mahatratra 3 na 4 isan’andro ireo zaza miditra eny amin’ny hôpitalin’ny reny sy ny zaza eny Ambohimiandra (CHUMEA), noho ny aretina « bronchiolite », rehefa amin’ny vanim-potoana mampirongatra azy, toy ny amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny talen’ny hôpitaly, Ravelomanana Lovaniaina. Mifanandrify amin’ny fotoam-pahavaratra, izany hoe : eo anelanelan’ny volana novambra hatramin’ny volana martsa no mahabetsaka ireo aretina mpahazo ny zaza, toy ny « bronchiolite », ny aretim-pivalanana sy ny kitrotro, araka ny nambarany. Rehefa tena marobe ireo zaza miditra eny an-toerana, dia voatery atambatra amin’ny fandriana iray ny zaza roa na telo, araka ny fanazavany. Vao nahazo fotodrafitrasa vaovao, hanampy ireo efa misy, mba handraisana an-tanana ireo zaza marary ny CHUMEA, tamin’ny herinandro lasa teo.

Aretin’ny zaza tsy mila fandidiana

Ankehitriny, manodidina ny 100 no isan’ny mpiasa mampihodina ny CHUMEA, ka 15 no isan’ny mpitsabo ary 37 no isan’ny mpitsabo mpanampy. Ahitana fandriana 63 isa, ahafahana mandray marary, eo anivon’ny hôpitaly. Ireo aretin’ny zaza, izay tsy mila fandidiana, no rasina an-tanana eny Ambohimiandra. Rehefa misy zaza marary dia ny renin-jaza ihany no tokony ho afaka miandry azy, amin’ny ankapobeny, hoy ny fanamarihan’ny Dr Ravelomanana Lova, fa afaka mamangy kosa ny fianakaviana. Izany no natao dia mba ho fiarovana ireo zazakely marefo, amin’ny fifindran’ny aretina be dia be.

Etsy an-daniny, manentana ireo ray aman-dreny ny mpitantana ny hôpitaly mba tsy hiandry ho efa mihombo be ny aretina vao manatona hôpitaly, fa raha vao misy ny tranga hafahafa dia efa tokony manatona mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires