Primatiora : Ho hamarinina ireo fananam-panjakana isaky ny biraom-panjakana, hoy ny Praminisitra
Toromarika voalohany nomen’ny Praminisitra vaovao, Herintsalama Rajaonarivelo, taratasy nivoaka androany 21 oktobra dia mikasika ny fanamarinana ireo fananam-panjakana samihafa. Hanaovana izany asa izany avokoa ny Primatiora sy ireo Minisitera ary ireo fikambanana sy andrim-panjakana eo ambany fiadidian’izy ireo.
Fiarovana ny fananam-panjakana
Tamin’ity andro voalohany nandraisan’ity olom-boatendry ity ny asa maha Praminisitra azy dia niasa sahady izy. Isan’ny nataony laharam-pahamehana araka izany ny fiarovana ny fananam-panjakana ka anton’ity toromarika ity. Isan’ny voalaza tamin’ity taratsy ity mantsy ny hanomanan’ireo andrim-panjakana ireo ny lisitra feno momba ny fitaovana sy kojakoja ampiasaina eny anivon’ny birao samihafa. Eo ihany koa ireo fiara ampiasain’ny sampandraharaha sy ireo fitaovana informatika ary fitaovana ao amin'ny birao rehetra, ary koa ireo antontan-taratasy mbola eo am-pikarakarana na mbola tsy vita. Izany rehetra izany moa no noraisina mba hiarovana ny fananan’ny Fanjakana eo am-piandrasana ny fametrahana ny Governemanta vaovao sy ny rafitra vaovao, hoy hatrany ny Praminisitra.
Tsy fahafahana mivoaka ny faritanin’i Madagasikara
Mbola nanome toromarika ireo tompon’andraikitra ambony, ihany koa ny tenany fa ao anatin’ny telo volana farafahatarany, dia tsy misy tompon’andraikitra ambony mahazo mivoaka an’i Madagasikara raha tsy manana fahazoan-dalana manokana avy amin’ny Praminisitra. Io fe-potoana io no heverina hamitana tanteraka ny famindram-pahefana sy ny fanadihadiana ara-pitantanana atao eo anivon’ny Minisitera tsirairay. Tsiahivina moa fa mbola ireo mpiasa teo aloha ihany no manohy ny asa amin’izao fotoana izao, mandrapaha-vitan’ny fanendrena ireo Minisitra vaovao.
Etsy andaniny dia mbola miato ihany koa ny fanokafana tetibola vaovao na ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny fandaniana, afa-tsy ho an’ny fandaniana mikasika ny sakafo ihany, hoy hatrany ity taratasy ity. Nomarihiny fa lavina tanteraka ny fanitsakitsahana ny voalazan’izany toromarika izany.