Vinavinan’ny fotoam-pahavaratra : Mety ho betsaka kokoa ny tahan’ny rotsa-korana amin’ny faritra sasany
Notanterahina androany, Alakamisy 09 Oktobra 2025 ny famoahana ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2025-2026. Nisy ny fivoriana izay natao tamin’ny alalan’ny « visioconférence » teo amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Natao indrindra izany mba hiomanan’ny Malagasy amin’ny orana sy ny mety ho fisian’ny rivo-doza.
Ho betsaka ny orana
Raha ny tatitr’io fivoriana io dia heverina hanatombo kokoa mihoatra ny tokony ho izy ny tahan’ny rotsak’orana. Indrindra amin’ny ati-fahavaratra dia ny desambra hatramin’ny febroary sy amin’ny fiafarany dia ny volana martsa sy aprily 2026. Hisitraka izay orana betsaka kokoa izay ny faritra atsinanan’i Madagasikara sy ny faritra afovoan’i Menabe sy ny tapany avaratry ny Nosy, tafiditra ao anatin’izany ny afovoan-tany (Bongolava, Itasy, Vakinankaratra). Mila miomana amin’ny fanapahankevitra ireo olona mipetraka amin’ny ambany toerana amin’ny mety hisian’ny fiakaran’ny rano.
Etsy ankilany dia ho latsaky ny tokony ho izy kosa ny rotsakorana amin’ny fiandohan’ny fahavaratra dia ny oktobra sy novambra izany. Hiaina izany ny faritra Androy sy ny tendrony atsimon’ny faritra Atsimo Andrefana. Hifanaraka na hanatombo noho ny tokony ho izy ho an’ny faritra : Diana, Sava, Analanjirofo, Ambatosoa, tapany avaratry ny faritra Alaotra Mangoro, Atsinanana ary ny ilany atsinanan’ny faritra Sofia sy Betsiboka.
Mety hisy rivodoza hatramin’ny 3
Vinavinain’ny foibe mpamantatra ny toetry ny andro fa hifanahaka amin’ny tokony ho izy ihany koa ny rivodoza amin’ity taona 2025-2026 ity. Araka izany, heverina hanodidina ny 1 hatramin’ny 3 ny isan’ireo rivodoza mety hisy fiantraikany mivantana ho an’i Madagasikara. Samy ahiana ny hisiana rivodoza mety hiditra an-tanety avy any Atsinanana na avy any andrefana. Nampatsiahy kosa anefa izy ireo fa mila mailo hatrany satria na rivodoza mahery vaika iray ihany aza dia efa mety hiteraka voka-dratsy goavana.
Ankoatra izany moa dia ahiana ny mety hisian’ny tsy fahampian-drano amin’ny faritra Androy sy atsimon’ny faritra Atsimo Andrefana mandritra ny volana Oktobra hatramin’ny Novambra 2025. Hihitatra ho an’ny faritra Androy izany ho an’ny vola Janoary 2026.