Olan'ny Jiro sy Rano : Naato amin'ny asany ny Minisitry ny Angovo
Nandray fanapahan-kevitra ny hampiato ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Olivier Jean-Baptiste, ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, noho ny tsy fahavitany antsakany sy andavany ny asany.
Samy mametraka fanamby avokoa ireo mpikamban'ny Governemanta rehetra. Hentitra mihitsy ny filoham-pirenena tamin'ny fotoana nanendrena azy ireo fa misy ny "évaluation", entina mandrefy ny dingana vita rehetra, hatramin'ny kely indrindra.
Fahatapahan-jiro sy rano mahakasika olona maro
Na olon-tsotra na orinasa, samy mizaka ny vokadratsin'ny tsy fahampian'ny rano sy ny fahatapahan-jiro. Efa nisy tokoa ireo fanamby napetraka, nefa somary nangingiana izany. Noho ny olana nahatonga fitakiana teny an-dalambe, nanapa-kevitra ny filoham-pirenena fa esorina amin'ny toerany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Olivier Jean-Baptiste.
Anisan'ireo tetikasa goavana nandrasana ohatra ny fanombohana ny tetikasa fanamboarana "Parc solaire". Mbola mihantona ihany koa ny fitaterana ireo fitaovana mavesatra, izay mijanona ao Toamasina nandritra ny 2 taona teo ho eo izay.
Famerenana ny filaminana
Nanambara ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa misokatra amin'ny fifampiresahana amin'ireo tanora. Nametraka fanamby ihany koa ny tenany fa hikaroka vahaolana maharitra hanalefahana ny fahatapahan-jiro sy rano, ankoatra ireo vahaolana vonjimaika efa ampiharina. Ho an'ny famatsian-drano ohatra, manohy ny fitateran-drano hamenoana ireo "bonbonnes" ireo fiarabe natokana amin'izany.
Naneho ny tsy fankasitrahany ny fandrobana ihany koa ny filoham-pirenena, tamin'ny kabariny omaly. Tsy vahaolana hoy ny tenany ny fampisaraham-bazana sy ny fihantsiana fankahalana.