• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Commune Rurale Alasora.Jpg
Image
Vaovao

Alakamisy mainty 2025 : Niverina indray ny Alatsinainy mainty 2009

26/09/2025 07:07 © Moov

Mandohalika i Madagasikara. 16 taona aty aoriana, mainty ny rahon'Antananarivo. Marobe ireo tranombarotra voaroba, fananana iombonana potika sy fananan'olon-tsotra rava.

Olona an'arivony maro no very fananana sy asa, omaly Alakamisy 25 septambra 2025 : nitovitovy tamin'ny alatsinainy mainty, 26 janoary 2009, ny zava-nitranga. Mandalo krizy ara-tsosialy sy ekonomika indray ny firenena, indrindra ny eto afovoan-tany.

Faharavana

Potika avokoa izay rehetra jerena, indrindra ny eny Ambodivona, Ankorondrano, Ivandry, Ankazomanga, 67ha sy Talatamaty. Nisy ihany koa ny toeram-pivarotana lehibe sy salantsalany voaroba teny Tsiadana, Ambohipo, Analamahitsy, Analakely, Andrefan'Ambohijanahary, Andravoahangy Ambony, Besarety, Ampasapito, Andranomena, Androndra Ankadimbahoaka sy By-Pass. Misy ireo voaroba fotsiny, raha misy nodorana mihitsy ny toeram-pivarotana. Nisy fiara sy kodiarandroan'olon-tsotra sy an'ny mpitandro ny filaminana lasibatry ny fangalarana sy ny fahamaizana ihany koa. Raha ny fananana iombonana kosa no asian-teny, saika voa mafy avokoa ireo "Gare téléphérique", na ny teny Anosibe, na ny teny Anosy na ny teny Ankorondrano. Nisy zaridaina may ihany koa.
Miantso firaisankina ireo tompon'orinasa sy tompona fivarotana, mba hahitana ireo entana nangalarina, na dia amin'ny ampahany aza. Antsoina ny rehetra mba ho mailo amin'ireo mpivarotra entana tsy fanta-piaviana.

Fepetra fandaminana

Miantso fitoniana ny OMC Nasionaly, hiverenan'ny filaminana manerana ny Nosy. Mba hisorohana ny fiverenan'ny fanararaotana sy ho fiarovana ny ain'ny rehetra, miato ny fampianarana ho an'Antananarivo Renivohitra, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Ambohidratrimo ary Antsirabe I. Mihatra ihany koa ny "Couvre-feu" na tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina, manomboka amin'ny 7 ora hariva hatramin'ny 5 ora maraina.
Samy manana ny fandaminany manokana moa ireo biraom-panjakana sy orinasa tsy miankina, ho fiarovana ny fananana sy ny ain'ireo mpiasa. Ho an'ireo rava fananana kosa dia saika miroso amin'ny fanadiovana sy ny fanamboarana ary ny fitadiavana vahaolana vonjimaika.

Lire la suite

Articles Similaires