Herinaratra avy amin’ny masoandro : Hiasa manomboka ny 2 oktobra izao ny toerana hamokatra 5MW eny Ampangabe
Mitaky ny hamahana ny olan’ny fahatapahan-jiro sy rano ny mponin’Antananarivo, androany. Omaly kosa dia nilaza ampahana vahaolana amin’ny fahatapahan-jiro ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo (MEH). Raha ny voalazan’i Thierry Andriantsoa, izay Sekretera Jeneralin’ny Minisitera dia hiasa manomboka ny herinandro izao ny toerana mpamokatra herinaratra eny Ampangabe.
Herinaratra 5MW amin’ny 11.5 MW
Miverimberina tato ho ato ny fahatapahan-jiro izay maharitra maherin’ny 5 ora. Tsy ampy eo amin’ny 30MW eo mantsy ny famatsiana herinaratra ho an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA), raha ny fanazavana. Mandeha tsikelikely kosa ny famenoana izay tsy fahampiana izay, raha ny fanambaran’ny Minisitera. Amin’izao fotoana izao dia ny herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro no vahaolana ataon’ny Fitondram-panjakana. Ity 5MW eny Ampangabe ity no hanombohana azy. « Raha ny vinavina dia ho ampidirina ao anatin’ny RIA io 5MW io manomboka ny alakamisy 2 oktobra izao. Efa mamara-parana ny asa ny teknisianina amin’izao fotoana izao », hoy hatrany ny fanazavan’ny Sekretera Jeneralin’ny MEH. Tsara ny manamarika fa 11.6MW no tokony ho vokarin’io toerana eo Ampangabe io, saingy ity 5MW ity aloha no vita, hoy ny fanazavana, saingy tsy maintsy ho feno io 11.6MW io.
Ho fenoina ny 30MW
Amin’ny alalan’ity angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ity avokoa no hamenoana ny 30MW eto Antananarivo, raha ny tatitra hatreto. Ankoatra io 11.5MW eo Ampangabe io mantsy dia efa mandeha ihany koa ny asa eny Ambatomirahavavy, izay hamokatra herinaratra 1,5 MW, ny eny Ilafy Ambohidrano Atsinanana (7 MW) ary ny eny Fieferamanga Imerintsiatosika (9 MW). Isan’ny voalazan’ny MEH fa hafainganina ireo asa fanorenana ireo.
Etsy andaniny moa dia efa manomboka ihany koa ny asa fanorenana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro 100MW eo Tsarasaotra. Ireo asa ireo izay hanampy tosika hatrany ny RIA satria ny 5MW ihany no voalaza fa hampandehanana ny teleferika. Ny fametrahana ny « parc solaire » 40MW no efa mandeha amin’izao fotoana izao, eny an-toerana.