• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Sénat
Image
Vaovao

25 septambra : Faritra mena ny Antenimierandoholona Anosy

25/09/2025 08:11 © Moov

Namoaka fanambarana ny Antenimierandoholona fa faritra mena ny manoloana ny lapa eny Anosy androany 25 septambra.

Androany 25 septambra no fotoana nomen'ireo mpanolotsaina ny tanànan'Antananarivo hanatanterahana ny hetsi-bahoaka manoloana ny fahatapahan-jiro sy rano.

Toerana saropady

Nisy fanamboarana notanterahina manoloana ny lapan'ny Antenimierandoholona nanomboka omaly 24 septambra.Efa nisy mantsy ny hetsika notanterahin'ny ekipan'i Babà Rakotoarisoa sy Clémence Raharinirina teny an-toerana, ny herinandro lasa teo, ka tsy maintsy nandray fepetra hentitra ireo Loholona.
Nasiana fefy araka izany ny fiampitana manoloana ny fidirana ny lapa, ka tsy maintsy manodidina ireo mpandeha an-tongotra. Manana safidy roa ireo te hiampita, dia ny lalana mihazo ny fivarotam-boninkazo na ny manoloana ny Boriborintany faha-efatra.
Marihana moa fa toerana saropady ny Lapan'ny Antenimierandoholona, amin'ny maha toeram-piasan'ny Andrimpanjakana faharoa eto Madagasikara azy.

Fivezivezena voafetra

Vao maraimbe, androany 25 septambra, efa tomefy mpitandro ny filaminana ny eny Ambohijatovo sy ny manodidina. Ambenana avokoa ireo làlana mihazo io toerana io : Antsahabe mivoaka ny Tonelina Ambanidia, Ambatonakanga, Analakely sy Tsaralalàna. Hahitana mpitandro ny filaminana milahatra maro ihany koa manoloana ny Parvis-n'ny Lapan'ny Tanàna. Misy lamina manokana ny fifamivozana amin'ireo toerana voatanisa ireo.
Maromaro ireo sekoly sy toeram-piasana ary toeram-pivarotana nisafidy ny hanakatom-baravarana ho an'ny androany.

Lire la suite

Articles Similaires