• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Faha-30 taonan’ny Fanambaran’i Beijing : Nahavita dingana maro i Madagasikara

23/09/2025 16:38 © Moov.Mg

Nomarihina omaly, nandritra ny fanokafana ny fivoriambe faha-80-n’ny Firenena Mikambana tanterahina any New York, ny faha-30 taonan’ny fanambarana iraisam-pirenena ho an’ny miralenta tany Beijing. Isan’ny naneho ireo ezaka vitany i Madagasikara, nandritra izany, tamin’ny alalan’ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina, Razafinjato Aurélie.

Zon’ny vehivavy, zon’olombelona

Rtoa Annalena Baerbock, filohan’ny fivoriambe faha-80-n’ny Firenena Mikambana, no nitarika ity lanonam-pahatsiarovana ity. Naveriny indray ny teny nambaran-drtoa Hillary Clinton tamin’ny taona 1995, fotoana nankatoavan’ireo firenena maro ny Fanambaran’i Beijing, izay manao hoe : « Aleo ambara indray mandeha tsy miverina, ny zon’olombelona dia zon’ny vehivavy, ary ny zon’ny vehivavy dia zon’olombelona ». Namafisin-drtoa Annalena Baerbock, fa dingana lehibe vita teo amin’ny lafiny miralenta ny Fanambaran’i Beijing.

Nilaza ihany koa anefa izy, fa mbola maro ireo tokony hatao mba hahatrarana ny tena fitovian-jon’ny lahy sy ny vavy. Tsy misy firenena hatreto, ka tena mampihatra tanteraka io fitoviana io, hoy izy. Vehivavy 1 amin’ny 3 no efa niaina herisetra ara-pananahana teo amin’ny fiainany. Raha ny zava-misy amin’izao no jerena, dia afaka 123 taona va ho tratra ny fitoviana ara-toekarena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mbola maro ihany koa ireo firenena tsy mbola mandrara ny firesahana momba ny miralenta, satria mety hitarika hatramin’ny famonoana ho faty izany, hoy hatrany rtoa Annalena Baerbock

Fampanjariana ny miralenta

Mpitondra Fanjakana sy tomponandraikitra ambony avy amin’ny firenena miisa 167 no nandray fitenenana, nandritra ity fankalazana ny faha-30 taonan’ny fanambarana iraisam-pirenena ho an’ny miralenta ity, ka isan’izany i Madagasikara. Nampahafantarin’ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina, Razafinjato Aurélie, ireo ezaka efa vitan’i Madagasikara, toy ny momba ny famporisihana ny fandrindram-piterahana ; ny tohana ho an’ny vehivavy eo amin’ny tontolon’ny fandraharaharana, amin’ny alalan’ny tetikasa Fihariana ; ny tohana ara-bola sy ara-teknika ho an’ireo fikambanam-behivavy ; ny vatsim-pianarana ho an’ireo ankizivavy, ho fisorohana ny fialana an-daharana an-tsekoly ; ny fampiofanana samy hafa amin’ny alalan’ny tetikasa « Autonomisation et résilience des filles en Afrique de l’Est » (EAGER). Misy ihany koa ireo politika sy paikady samihafa ho an’ny miralenta, ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ny ankizivavy ary ny ady atao amin’ny herisetra, izay andraisan’ny vadin’ny filoham-pirenena andraikitra.

Ho an’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, António Guterres, dia fandraisana andraikitra ara-pôlitika avo lenta indrindra noraisina, ho fampanjariana ny zon’ny vehivavy, ny Fanambaran’i Beijing.

Lire la suite

Articles Similaires