Vono olona tao amin'ny Restaurant VENUS 67ha : Tra-tehaka ireo roalahy namono sinoa mianadahy
Efa eo am-pelatanan'ireo manampahefana ireo tompon'antoka tamin'ny famonoana teratany sinoa miisa roa, tompon'ny Restaurant Venus.
Raha tsiahivina, tsy nisokatra andro maromaro ny Restaurant Venus noho ny "congé annuel". Nampiahiahy ireo mpiara-monina nefa fa toa nangingina tanteraka ny faritry ny toeram-pisakafoanana sy ny fonenan'ireo sinoa. Nanampy trotraka ny tsy fahazoana azy ireo an-taribia sy ny fofona hafahafa ren'ny manodidina. Ny alatsinainy 15 septambra lasa teo moa no hita tao an-trano ny fatin'izy mianadahy. Voalazan'ireo mpitsabo nanao fizahana nefa fa ny alakamisy 11 septambra no efa namoy ny ainy ireo teratany sinoa ireo.
Lonilony sy fitsiriritana
Tamin'ny andro nahitana ireo razana roa dia efa nanomboka ny fanadihadihana, nosahanin'ny Polisy misahana ny heloka bevava Anosy (Brigade Criminelle). Ny sabotsy 20 septambra lasa teo, voaangona ny porofo rehetra ka niroso tamin'ny fisamborana ireo voarohirohy ireo mpitandro ny filaminana. Voatondro tamin'izany ny lehilahy miisa roa, samy mpiasa ao amin'ny Restaurant Venus ihany.
Rehefa niatrika fanadihadihana izy roalahy dia niaiky fa tena tompon'antoka tamin'ilay raharaha vono olona tokoa. Anton'izany moa ny lonilony tamin'ireo mpampiasa sy ny fitsiriritana ny vola tao amin'ilay toeram-pisakafoanana. Mbola nisy tamin'ny ny ampaham-bola nangalarin'izy ireo tratra teny aminy nandritra ny fisamborana nataon'ny Polisimpirenena.
Ho atolotra ny fampanoavana izy roalahy ireto rehefa vita ny famotorana savaranonando ataon'ny Polisimpirenena.