Mpizahatany vahiny : Maherin’ny 200.000 no efa tonga teto Madagasikara tamin’ity taona 2025 ity
Homarihina ny 27 septambra ny andro eran-tany ho an’ny fizahan-tany. Ho an’i Madagasikara manokana dia any Morondava, Faritra Menabe, no hankalazana izany, mandritra ny roa andro. Araka ny nambaran’ny minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, Viviane Dewa, dia tsara, amin’ny ankapobeny, ny vokatra azo eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany, tamin’ity taona 2025 ity.
Miroborobo ny sehatry ny fizahantany
Azo heverina fa mihamiroborobo ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara, taorian’ny valanaretina COVI-19. Tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana malagasy ny hahatratra mpizahatany vahiny miisa 1 tapitrisa, hatramin’ny taona 2028. Ho an’ity taona ity, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, Viviane Dewa, dia efa mihoatra ny 200.000 ny isan’ireo mpizahatany vahiny tonga nitsidika ny nosintsika. I Nosy Be fotsiny, araka ny fanamarihany, no nampiditra mpizahatany 160.000 isa. Araka izany, « Tsara ny vokatra ny vokatra tamin’ity taona ity », hoy ny minisitra.
Maro ireo antony nahazoana izao vokatra tsara izao, araka ny fanazavan-dramatoa Viviane Dewa. Ho an’ny nosy Boraha, na ny nosy Sainte Marie, dia nisy ny fanamboaran-dalana notanterahina, ka isan’ny nahatonga ny fiakaran’ny isan’ny mpizahatany ho avo roa heny izany. Any Morondava, izay toerana hanatanterahana ny fankalazana nasiônaly ny andro eran-tany ho an’ny fizahantany, dia saika feno foana ireo trano fandraisam-bahiny. Hipoka ihany koa, hoy izy, ny tanànan’i Mahajanga, nandritra ireny fotoam-pialan-tsasatra lehibe ireny. Araka izany, samy miroborobo avokoa, na ny fizahantany anatiny, na ny fizahantany ivelany.
Andro eran-tany ho an’ny fizahantany
Nampitombo ny isan’ny mpizahatany tonga nitsidika an’i Madagasikara ihany koa, raha ny fanazavan-dramatoa minisitra hatrany, ny fandraisantsika ireo fihaonana an-tampony iraisam-pirenena miisa roa, dia ny fihaonana an-tampony faha-19-n'ny vondron'ireo firenena miteny ampahany na mannontolo ny teny frantsay (OIF) sy ny fihaonana an-tampony faha-45-n’ny Vondrona ho an'ny fampandrosoana ny faritra Atsimon'i Afrika na ny SADC.
I Morondava manokana, dia isan’ny toerana manankarena, ka hahafahana mianoka karazam-pizahantany maro, araka ny fanazavan’ny ministry ny Jono sy toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Tafiditra ao anatin’izany ny fizahantany manga, izay isan’ny mamorona ny toekarena manga. Eo ihany koa ny fizahantany siantifika sy ny fizahantany ara-panatanjahantena. Isan’ny antony nisafidianana an’i Morondava ho ivon’ny fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny fizahantany 2025 ireo.