• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Fida
Image
Vaovao

Faritra Atsimo : Mangahazo 900 000 taho novolena tamin’ny velaran-tany 300Ha hanampiana ara-tsakafo

22/09/2025 16:09 © Moov

Notontosaina tao anatin’ny fiaraha-miasan’ny Fandaharan’asa DEFIS miaraka amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ny fizarana taho-mangahazo miisa 900 000 ho an’ny faritra Atsimo. Izany no natao dia mba hanohanana ara-tsakafo ireo mponina ka hovolena amin’ny tany mirefy 300Ha ao Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana izy ireo.

Ezaka hanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo

Ny mangahazo dia isan’ireo vokatra tena maharitra manoloana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny hain-tany mpahazo matetika ny faritra atsimo. Izy io no lasa sakafo fototra amin’ny tokantrano maro any an-toerana sady ihany koa, loharanon-karena lehibe ho an’ny tantsaha. Ato anatin’ity tetikasa ity, tantsaha miisa 3 460 tafiditra ao anatin’ny fikambanan’ny mpamokatra 135 no misitraka ireto taho-mangahazo ireto. Natao ho an’ny tany mirefy 300Ha ireto fambolena ireto, izay hanampy betsaka amin’ny fampitomboana ny vokatra sy ny fanamafisana ny sakafo.
Ankoatra ny fizarana taho dia hisy fanohanana ara-teknika ihany koa hatolotra ny tantsaha. Hisitraka izany rehetra izany ny kaominina miisa 22 ao anatin’ny distrika Ambovombe, Antanimora, Tsihombe, Beloha, Bekily, Amboasary Atsimo, Ampanihy ary Betioky Atsimo.

Fanodinana sy fidiram-bola vaovao

Rehefa mahazo vokatra tsara ny tantsaha, indrindra raha misy ambim-bokatra, dia entina eny an-tsena izany mba hampitomboana ny fidiram-bola. Ankoatra izay, efa napetraka ihany koa ny “unité de transformation” hanodinana ny mangahazo ho « gari », izay anisan’ny vokatra tena ilaina amin’ny sakafo isan’andro. Ity fanodinana ity dia hanampy betsaka amin’ny fiantohana ny fanjarian-tsakafo sy ny fanomezana lanja ara-barotra ny vokatra avy amin’ny tantsaha.
Ireo asa ireo dia tanterahina ao anatin’ny Fandaharan’asa DEFIS, vatsian’ny FIDA vola, ary iarahana amin’ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra. Tanjona lehibe ny hanamafisana ny fiarovana ara-tsakafo sy ny fanatsarana ny fari-piainan’ny tantsaha marefo ao amin’ny faritra atsimo.

Lire la suite

Articles Similaires