SAMIFIN - Ady amin'ny Famotsiam-bola : Efa voahajan'i Madagasikara ny 70%-n'ireo fepetra takiana
Miroso mankany amin'ny fandresena tanteraka ny Famotsiam-bola i Madagasikara. Hatreto, efa 29 amin'ny 40 ireo fepetra apetraky ny Groupe d'Action Financière (GAFI) no voahaja soa aman-tsara.
Eo am-panomanana ny Fanombanana ny ady amin'ny Famotsiam-bola na "Evaluation mutuelle du dispositif national du Lutte contre le Blanchiment de Capitaux, le Financement du Terrorisme et le Financement de la Prolifération" i Madagasikara. Ao anatin'izany indrindra, tontosaina eny amin'ny Radisson Blu Ambodivona ny atrikasa fanomanana, ny 22 hatramin'ny 26 septambra. Ny SecFin Africa, vatsian'ny Vondrona Eoropeana sy ny CIVIPOL vola, no manohana izao tetikasa izao.
Tsara fiomanana
Manodidina ny 30 ireo mpandray anjara amin'izao atrikasa izao. Tanjona moa ny fampitomboana ny traikefan'ireo handrafitra ny tatitra mba hamaly ireo fepetra takinan'ny Groupe d'Action Financière (GAFI). Io rafitra io mantsy no manome naoty ny firenena mpikambana tsirairay, arakaraka ny fanajany na tsia ny teboka 40 hanaovana ny tombana.
Tsara ny manamarika fa amin'ny taona 2026 no hanatanterahan'ny GAFI izany tombana izany. Ny taona 2018 no notombanana voalohany isika, ka 13/40 ny naoty azo. Amin'ny taona 2026, mety hahazo naoty hatramin'ny 30/40 i Madagasikara. Ny azo antoka kosa nefa, tsy ho tafiditra ao anatin'ny "Liste grise" fametrahana ireo firenena mampiahiahy i Madagasikara. Ezaka goavana no efa vitan'i Madagasikara, satria maherin'ny 2,2 miliara ariary be izao no efa tafaverina tamin'ny Fanjakana noho ny raharaha famotsiambola, raha ny taona 2024 fotsiny no resahina.

Ezaka mitohy
Vonona tanteraka i Madagasikara amin'ny ady amin'ny Famotsiam-bola amin'ny sehatra rehetra, araka ny nambaran'ny tale jeneralin'ny SAMIFIN, Mamitiana Rajaonarison. Efa miasa tsara mantsy ireo "Task Force" izay hahitana ireo ministera rehetra, ireo sampan'asa isan-karazany miankina amin'ny fanjakana sy ireo sehatra tsy miankina. Efa miara-miasa amin'ny SAMIFIN ohatra ireo mpivarotra fiara sy ireo banky.
Anisan'ny lesoka hatreto ny tsy fananan'i Madagasikara antontan'isa manokana (statistique centralisé) mikasika ny Famotsiam-bola. Mila hamafisina ihany koa ny fanasaziana ho an'ireo orinasa tsy mameno tsara ny toro angatahina (manorina "société écran" ka manjavona ilay orinasa vao misy fahatratrarana tranga famotsiambola) sy ireo tsy manaja ireo fepetra mifandraika amin'ny ady amin'ny Famatsiambola. Mbola sarotra sady mitaky fotoana maharitra ihany koa ny manova lalàna rehefa ilaina izany.
