• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Famatsiana : Natolotra indray ny vahaolana samihafa hanalefahana ny fahatapahan-jiro

22/09/2025 13:02 © Moov

Nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety indray ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa Jean-Baptiste Olivier, notronin'ny Tale Jeneralin’ny Orinasa JIRAMA, Atoa Ron Weiss, sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny avy, ny sabotsy lasa teo. Natolotra tamin’izany ireo vahaolana samihafa amin’ny fahatapahan-jiro, izay mavaivay amin’izao fotoana izao.

Isan’ny vahaolana ny orana artifisialy

Miditra amin'ny vanim-potoanan'ny maintany (étiage) tanteraka ny eto Madagasikara. Ankoatra ny fihenan'ny rano dia misy koa ireo fahasimbana amin'ireo milina mpamokatra herinaratra. Isan’izany ny ao amin’ny VESTOP Antsirabe, sy AKSAF ary CTA 2 izay samy eny Ambohimanambola. Vokatr’izany dia mahatratra 30 hatramin'ny 50MW ny fidinan'ny famokarana herinaratra ho an'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo (RIA). Maharitra ora telo eo ho eo ny fahatapahan-jiro mba ho vahaolana amin’izany hoy ny Minisitra. Hanalefahana izany anefa dia vahaolana natolotra ny fanamboarana haingana ireo milina rehetra simba ireo. Eo ihany koa ny fandefasana ireo milina mandeha amin'ny gazoala, TAC 1 sy TAC 2, hanome 12 hatramin'ny 15 MW ny iray ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasan'ny JIRAMA amin'ireo sehatra tsy miankina. Ankoatra izay dia nilaza ny minisitra fa hisy ihany koa ny fandatsahana orana artifisialy, vao vantany feno ny fepetra mba hampiakarana ny haavon'ny rano.

Tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro

Vahaolana natolotra ihany koa ny fanafainganana ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny masoandro. Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa 50MW izany izay 30MW dia hapetraka eto Antananarivo. Izay ho hita eny Ambatomirahavavy (1,5 MW), Ampangabe (11,5 MW), Ambohidrano Atsinanana (7 MW) ary Fieferamanga Imerintsiatosika (9 MW). Araka izany, hanomboka amin’ity herinandro ity ny fampiakarana avy any Toamasina ny milina hamokatra 105MW eny Ambohimanambola.
Toy izany ihany koa ny fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro (centrale solaire) eo Tsarasaotra izay hamokatra 100MW. Eo am-pandinihana ny tolotra teknika sy ara-bola voaray, ankehitriny ny vaomiera misahana izany.
Marihina fa manodidina ny 250-260 MW ny filàna herinaratra eto amin'ny RIA ary efa ambony ihany koa ireo filàna fanampiny avy amin’ny fangatahan’ny olon-tsotra sy ny orinasa. Izany rehetra izany mbola mila fanarenana avokoa.

Lire la suite

Articles Similaires