• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Prm/Fsbm
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 15 hatramin'ny 21 septambra 2025

22/09/2025 00:02 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 15 hatramin'ny alahady 21 septambra 2025.

Akamasoa # Fankalazana ny faha-55 taona nahatongavan'i Mopera Pedro teto Madagasikara

Amin'ity taona 2025 ity no faankalazana ny faha-55 taona nahatongavan'i Mopera Pedro teto Madagasikara. Tanàna 22 no efa naoriny izay misy toeram-ponenana 4.144, sekoly, kolejy ary oniversite.
Raha mikasika ny fampianarana eny amin'ny Akamasoa, mihatsara ny vokatra, hoy ny Mopera Pédro. 97% beizao mantsy ny taham-pahafahana bakalorea tamin'ny taom-pianarana 2024-2025 teo iny. Noho ny fifampiresahana tamin'ny Ministeran'ny Fanabeazampirenena dia tapaka fa mpampianatra miisa 100 eo anivon'ny Akamasoa no hahazo fifanarahana arak'asa ka ho lasa mpiasam-panjakana.
Tsara ny manamarika fa hakatona tanteraka ny toeram-panariana fako eny Andralanitra ka hasolo zaridaina tsara tarehy izany.

Pétanque # Tompondaka erantany indray i Madagasikara

Nanoratra tantara mahafinaritra tany Roma indray ireo mpilalao tsipikanetibe avy eto Madagasikara. Taorian’ny andro maro nifaninana fatratra, dia nandrombaka medaly volamena iray, medaly volafotsy iray ary medaly alimo roa.
Ny fandresena lehibe indrindra dia ny an’ny doublette mixte, izay nandraisan’i Madagasikara ny anaram-boninahitra ho Tompondaka Erantany. Ankoatra izany, nahazo medaly volafotsy koa isika tamin’ny tête-à-tête lehilahy, ka nahatonga ny solontenantsika ho Vice-Champion du Monde, ary mbola nanampy medaly alimo roa ihany koa ny ekipam-pirenena tamin’ny doublette lehilahy sy doublette vehivavy, ho fanomezam-boninahitra ny ezaka nataon’ny ekipa iray manontolo.
Tsy kisendrasendra izany vokatra izany fa vokatry ny fampiofanana mafy sy hentitra no nahatratrarana izany. Nanao fanomanana ara-panatanjahantena tany Frantsa mantsy ireo mpilalao.

Raharaha Ambohimalaza # Miisa 6 ireo tsaboina any ivelany

Niteraka resabe tamin'ny tambazotra sosialy ny EVASAN natao tamin'ireo sisa tsy maty noho ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. Etsy andaniny, araka ny loharanom-baovao avy amin'ny TVM, tsy ao amin'ny Hopitaly C-Care ireo marary iantohan'ny Mpanohitra. Ny taratasy rehetra niaingana teto Madagasikara nefa dia nanondro fa io toeram-pitsaboana io no tokony aleha any Maorisy. Etsy ankilany, nitondra fanazavana ny Depiote Siteny Randrianasoloniaiko fa nifidy "clinique" hafa izy ireo noho ny fiarovana ireo marary ireo. Miisa 4 moa ireo marary nivoaka an'i Madagasikara ny 18 septambra lasa teo, ary niampy iray izany nanomboka omaly alahady 21 septambra.

Raharaha "Tsy manaiky lembenana" # Miisa 2 ireo arahi-maso ara-pitsarana

Nametraka taratasy sady nandefa horonampeo manoloana ny Antenimierampirenena ny mpanolotsaina ny tanànan'Antananarivo miisa 2, dia i Babà Rakotoarisoa sy Clémence Raharinirina, ny alakamisy 18 septambra lasa teo. Ny zoma 19 septambra, voasambotra izy ireo rehefa nizotra nanatitra taratasy fangatahandalana ny amin'ny hetsika ho tanterahina ny 25 septambra ho avy izao, noho ny olan'ny fahatapahan-jiro sy rano.
Rehefa niakatra fampanoavana izy mianadahy dia voalaza fa arahi-maso ara-pitsarana (sous contrôle judiciaire) noho ny hetsika tsy nahazoana alalana teny amin'ny lapan'ny Antenimierandoholona, tabataba tamin'ny fanamafisam-peo nanentana fankahalàna ny loholona iray ary fiaksana hiditra an-keriny tao amin'ny lapa hanery io loholona io hidina an-dalambe. Amin'ny 30 septambra moa no hiatrika Fitsarana izy ireo.

Papa Léon XIV # Mandà ny Fanambadian'ny mitovy fananahana ny Eglizy Katolika

Tamin'iny herinandro lasa iny no nanatanteraka fanambarana ofisialy mikasika ny "homosexualité" ny Papa Ray Masina Léon XIV. Nanamafy àry ny fiangonana katolika fa tsy manaiky velively ny fanambadian'ny mitovy fananahana, lahy samy lahy na vavy samy vavy. Ny fitambaran'ny lehilahy sy vehivavy ihany no ipoiran'ny fianakaviana.
Mbola mitazona ny heviny mikasika ny tsy fahafahan'ny vehivavy miroso amin'ny asa maha-diakra ihany koa ny Eglizy Katolika manerantany. Amporisihina tokoa nefa ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny asa fanompoana eo anivon'ny fiangonana.

Kolontsaina # Fankalazana ny taombaovao Lohataona

Tontosa omaly alahady 21 septambra teny amin'ny Rovan'i Madagasikara ny Taombaovao Lohataona Malagasy, notarihin'ny "Communauté Royale de Madagascar". Isaky ny tsinam-bolan’ny volana septambra na oktobra moa no ankalazaina izany.
Fety manamarika fifohazana vaovao sy fiandohan’ny asa vaovao ny taom-baovao lohataona, ka entina am-pifaliana sy am-pirahalahiana. Anisan’ny fombafomba lehibe amin’ity fotoana ity ny mifampiarahaba sy mifampirary soa, fanehoana firaisankina sy firaisam-po eo amin’ny Malagasy.Niantso ireo ray aman-dreny ireo ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, hanohy hatrany ny fanamafisana ny maha-izy azy sy ny kolontsaina, ary handray ity Taom-baovao ity ho mariky ny fanombohana vanim-potoana vaovao sy fanantenana vaovao.

Madagasikara & Frantsa # Fiaraha-miasa mikasika ny fitsinjaram-pahefana

Ny 18 sy 19 septambra lasa teo no nanatanterahana ny ny andiany fahatelo amin’ny fivoriana momba ny fiaraha-miasa intsinjaram-pahefana eo amin’i Madagasikara sy Frantsa.
"Fitantanana ifotony, mitarika fahafaha-miarin-doha manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro" no lohahevitra noraisina nandritra ny hetsika. Natao indindra izany hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Frantsa amin’ny sehatra maro toy ny fambolena, ny fanjarian-tsakafo, ny rano, ny fanadiovana sy fidiovana, ny fampandrosoana ara toekarena, ny tanora. Ankehitriny dia kaomina 19 sy faritra 15 eto Madagasikara no miara-miasa amina kaomina 14, vondrona kaominina 13 sy departemanta 4 ary faritra 5 any Frantsa.

Fahasalamana # Caravane Médicale Vakinankaratra hatrany Menabe

Niainga teo amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny 15 septambra lasa teo ny andiany faha-33 amin'ny hetsika ara-pahasalamana mitety vohitra "Sarobidy ny aiko". Mihazo ny Faritra Menabe handalo ao Antsirabe, Ankazomiriotra, Mandoto, Miandrivazo, Mahabo ary Morondava izany "caravane médicale" izany, ny 16 hatramin’ny 25 Septambra 2025. Ankoatra ireo fizaham-pahasalamana ankapobeny, ny mampiavaka ity andiany ity ny fandidiana "cataracte" ary misy koa ireo tolotra vaovao toy ny fizahana manokana : "cardiologie", "dermatologie", "pédiatrie" sy "rhumatologie".
Fiarabe miisa 12 no miasa ankehitriny. Nahatratra 275 409 moa ny olona nisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana tamin'ny andiany farany tamin'ny volana marsa 2025.

Lire la suite

Articles Similaires