• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Economie

Jono : Namafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny ministera sy ny FTM

05/07/2023 14:23 © Moov.Mg

Tontosa androany 05 jolay ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Foiben-taosarintanin’i Madagasikara na ny FTM.

Fifanaovan-tsonia

Androany no nifanome fotoana tetsy Ampandrianomby ny avy eo amin’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny FTM. Nandritra izany fihaonana izany no nanatanterahana ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta izay nisoloin’ny ministra Mahatante Paubert, tena, sy ny tale jeneralin’ny FTM, Rajaonarison Jean Désiré.
Zava-dehibe ho an’ny ministera, fa ihany koa ho an’ny FTM izao fiaraha-miasa vaovao izao. Teboka maro samihafa ary no iarahan’izy ireo ho dinihana sy hapetraka manomboka izao.

Fametrahana ny « espace maritime »

« Mbola tsy hananan-tsika eto Madagasikara ny taon-tsarintany mahakasika ny « espace maritime », izany indrindra no mahatonga ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga miara-miasa amin’ny FTM. Izy ireo tokoa no manana ny fahaiza-manao rehetra izay hanampy ny ministera amin’ny fametrahana ny « Plan spatial » »; hoy ny ministra nitondra fanazavana.
Amin’ny alàlan’izany plan spatial izany no hahafantarana hoe aiza sy aiza avokoa no misy ireo « baie », « cap » ary ireo karazana « écosystème » samihafa misy eto Madagasikara. Hanampy amin’ny fiompiana « concombre de mer » ihany koa ohatra ny fisian’izany taon-tsarintany mahakasika ny « espace maritime » izany, araka ny nambaran’ny ministra hatrany.
Zava-dehibe amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny fananana ireo antontam-baovao “géo-spatial” ireo, satria ho voaporofo ara-tsiantifika sy ara-teknika avokoa ireo fanapahan-kevitra sy tetikasa hajoro. Hanatsarana ny fametrahana tetikasa ihany koa izany satria fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny zava-misy avokoa no ho raisina. « Ny FTM moa dia mpamokatra ireo sari-tany fototra ilain’ny fanjakana amin’ny fandraisany fanapahan-kevitra », hoy ny Talen’ny FTM nanamafy izany.
Fantatra fa hisitraka ampaham-bola avy amin’ny “appui sectoriel” naroson’ny vondrona eropeana amin’ny alàlan’ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny resaka jono ny FTM. Natao izany mba hanampiana azy ireo amin’ny fanangonana antontam-baovao ilaina amin’ny famoahana ny atao hoe “atlas maritime”.

Lire la suite

Articles Similaires