• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Economie

Tontolo iainana : 9 000 ha ny tontolo sy ala harenina any amin’ny faritra Amoron’i Mania

20/06/2023 17:13 © Moov.Mg

Tontosa anio ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny Fandaharanasa PLAE VI. Ity farany dia mifototra amin’ny fampiroboroboana ny fiadiana amin’ny fikahon’ny riaka ny nofon-tany.

Fiaraha-miasa

Ny PLAE faha-enina dia fandaharanasa iray izay iarahan’ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Banky Alemana ho an’ny Fampandrosoana (KFW) miasa. Ity farany moa no mamatsy vola ny tetikasa ary ny ministera kosa no miantoka ny fanatanterahana azy io.
Amin’ity andian’ny faha-enina ity dia kaominina efatra avy ao amin’ny faritra Amoron’i Mania no hisitraka azy io. Soavina, Ambodromisotra, Miarinavaratra ary Betsimisotra ireo kaominana mpisitraka ireo. Hisy araka izany ny ezaka hatao mba hiadiana amin’ny fikahon’ny riana ny nofon-tany eny anivon’ireo kaominina voalaza ireo.

Hifototra amin’ny sehatr’asa 4 ny PLAE VI

Sehatr’asa lehibe miisa efatra no hiompanan’ireo asa rehetra ho tanterahana amin’ity fandaharanasa ity. Tafiditra ao anatin’izany ny fambolen-kazo ho an’ny filan’ny tokantrano sy ho an’ny kaominina, ny fiarovana ireo asa sisa tavela, ny fametrahana ny ala ho vadim-boly ary ny fanatsaràna ny faritra firaofan’ny biby.
Ireo sehatr’asa efatra ireo dia mifandray amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fambolena ary ny fiompiana. Tanjona napetraka ary ny hanajariana ala kaominaly mirefy 1 500ha, ala 1 550ha hiarovana ireo ala sisa tavela, fambolen-kazo 1 350 ho an’olon-tokana, ny fanatsarana faritra firaofana mirefy 1030 ha, ary ny fametrahana ala vadim-boly hovolena mirefy 3604 ha.
Inoana fa hitondra vokatra azo tsapain-tànana ho an’ireo mponina any an-toerana, fa ihany koa hiarovana ireo nofo-tany amin’ny fikahon’ny riaka izany.

Lire la suite

Articles Similaires