• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dgbf
Image
Economie

Havaozina ny lalàna mifehy ny fisotroan-dronono

14/06/2023 17:20 © Moov.Mg

Nanomboka ny talata 13 jona teo no nanatanterahana ny dinik’asa entina hanavaozana ny lalàna mifehy ny Fisotroandronono. Maharitra telo andro io dinika io ary mbola hitohy hatramin’ny andron’ny rahampitso noho izany.

Fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka

Zava-dehibe tokoa ny fanavaozana ny fikarakarana ny fisotroan-dronon’ny mpiasam-panjakana hoy ny Tale Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana (DGBF), Randriambololona Guy Patrick, nandritra ny fanokafana izao dinik’asa izao omaly. Tsy vitan’ny olon-tokana anefa izany fa ilaina ny fandraisan’anjara ny rehetra. Zava-dehibe tokoa, araka izany, ny firotsahan’antsehatr’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny, toa ny fandraisan’izy ireo anjara amin’izao dinik’asa izao.
Raha tsiahivina dia tohin’ny fikaonan-doha izay efa fanaon’ny DGEAE, DSP, ary DGT izao dinik’asa izao. Ankehitriny dia mifantoka amin’ny lafin’ny fisotroandronono ary ny tafa sy dinika. Raha ny andron’ny omaly fotsiny no resahana dia nitodika tamin’ireo mpiasan’ny tafika malagasy ny dinika.

Fomba fiasa vaovao

Ity fanatsarana izay atao mahakasika ny fanatanterahana ny làlana mifehy ny fisotroandronon’ny mpiasam-panjakana ity dia tetikasa efa noeritreretina nandritra ny taon amaro. Raha ny marimarina kokoa dia efa ny taona 2020 no nanana finiavana ny hanova fomba fiasa ny tompon’andraikitra teo anivon’ny ministeran’ny Toekarena sy ny fitatanam-bola ary ny ministeran’ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy.
Araka ny fantatra dia ny didim-panjakana Lah 62 – 144 ny 21 martsa 1962 izay mamaritra ny « Caisse de Retraites Civiles et Militaires de laRépublique Malagasy (CRCM) » no mbola manan-kery ary ampiharina eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Rariny tokoa raha miroso amin’ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny lalàna mfifehy ny fisotroan-dronono ireo tompon’andraikitra ankehitriny. Tanjona apetraka amin’izao dinik’asa izay hifarana rahampitso izao ary ny hanamboarana sy hampanarahana ny zava-misy iainana sy manaraka ny toetr’andro ny lalàna mifehy ny Fisotroan-dronon’ny mpiasam-panjakana.
« Ireo telo andro ireo dia hifantoka tanteraka amin’ny fanarenana ny fatiantoka hita ao amin’ny « Caisse de Retraites Civiles et Militaires de la République Malagasy ». Hanalefahana sy hanafainganana ny fikirakirana ny asam-panjakana ary hahafahan’ny mpiasam-panjakana rehetra misitraka ny Fisotroan-ndronono ara-dalàna hatrany. », hoy hatrany ny avy eo amin’ny DGBF nanamafy.

Lire la suite

Articles Similaires