• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Economie

Afrika : Voafidy ho ministry ny Toekarena mendrika indrindra ny ministra Malagasy

30/05/2023 13:47 © Moov.Mg

Ny tapaky ny volana Mey teo no fantatra fa tafiditra tao anatin’ireo mpitantana efatra manerana ny afrika mety handrobaka ny ministry ny Toekarena mendrika indrindra amin'ny alàlan'ny Africa Business Leadership Awards ny minisitra Malagasy, Rindra Hasimbelo. Rabarinirinarison.

Mpitantana mendrika

Ny Africa Business Leadership Awards (ABLA) dia fandaharana iray miompana amin’ny fankasitrahana manonaka ireo mpitarika ny ministeran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny lehiben’ny banky foibe manerana an’i Afrika. Jerena amin’izany ny politikam-pitantanam-bola nosafidian’izy ireo sy ny fametrahana politika « macroéconomique ». Ireo mpitarika nahavita nanatsara ny tanjona ara-toe-karenan’ny fireneny, izay antoky ny fandrosoana ara-toe-karena, no voakasik’ity fifaninana ity. Raha fintinina dia amin’ny alàlan’io fandaharana ABLA io no hisafidianana ny mpitarika mendrika indrindra aty afrika mandritra ny taona voafaritra iray.

Fifidianana

Anisan’ireo notsongaina ary nofidiana tamin’ny nandritra ity fifaninana ity noho izany ny ministry ny Toerakarena sy ny fitantanam-bola malagasy.
Raha fintinina fohifohy dia mandalo dingana telo ny fifidianana. Ny voalohany dia ny fanendrena sy fiantsoana ireo mpifaninana. Rehefa izany dia mandeha ny fampahafantarana sy ny fiantsoana ny rehetra handray anjara amin’ny fifidianana. Aorian’izay dia anjaran’ny eo anivon’ny komity no mijery sy mandalina ny fifidianana izay natao koa ny 65%-ny safidy dia mandrafitra ny latsa-bato nataon’ny olo-tsotra, raha toa ka 35% kosa no anjaran’ny komity.
Taorian’ny fifidianana izay natao dia nandrobaka ny amboara « Ministry ny Toekarena » ny ministra malagasy. Raha tsiahivina dia tsy vao ela akory izay no tafiditra tao anatin’ireo mpitantana 25 mendrika indrindra aty afrika na ny African Leadership Magazine (ALM) ny ministra ary nahazo ny laharana voalohany tamin’izany mihitsy ny tenany.

Lire la suite

Articles Similaires