• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mid
Image
Economie

Taolagnaro - Tetikasa Mionjo : Kaominina 59 no nisitraka fanampiana ara-bola

12/05/2023 15:20 © Moov.Mg

Taolagnaro : Kaominina 59 no efa nisitraka fanampiana ara-bola mitentina 12 556 281 000 ariary tamin’ny alàlan’ny tetikasa mionjo.

Nidina ifotony nanatrika ny fivoriana mahakasika ny tetikasa Mionjo any amin’ny distrikan’ny Taolagnaro ny ministry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, anio.
Miisa 59 ireo kaominina efa nisitraka ny tetikasa Mionjo
Anio zoma 12 mai no nanatanterahana ny fivorian’ny Komity nasionaly mpitarika ny tetikasa Mionjo, tany amin’ny distrikan’ny Taolagnaro. Tonga nanotrona sy nandray anjara tamin’ny fotoana ny ministry ny Atitany, araka ny efa natsidika tetsy ambony.
Araka ny efa fantatra dia kaominina 59 avy amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Anosy ary Androy no hisitraka ny fanampiana ara-bola avy amin’io tetikasa io. Marihina fa mitentina 12 556 281 000 ariary izany teti-bola izany. Sehatra maro isan-karazana no heverina ho hatsaraina amin’ny alàlan’io fanampiana ara-bola io.

Mandroso ny fanatanterahana ireo asa

Tatitra maro samihafa no natao anio nandritra ny fivorian’ny komity nasionaly mpitarika ny tetikasa Mionjo. Araka ny nambaran’ny avy eo amin’ny ministera hatrany dia hita fa « Miroso araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana ny tetikasa ».
Ireto avy ireo tetisa nisongadina tamin’io tatitra io :
Fanomezana fanampiana ara-bola mitentina 12 556 281 000 Ar ho an'ny Kaominina 59 ao anatin'ny faritra iasan'ity tetikasa ity (Faritra ATSIMO ANDREFANA, ANOSY, ANDROY), fanampiana izay entina hanavaozana sy hananganana foto-drafitrasa maro eny ifotony
Fampitaovana maro samihafa : moto, bisikileta, fitaovana informatika, fitaovam-pifandraisana,... Fampiofanana ireo tompon'andraikitra eny anivon'ny Kaominina momba ny fitompoan-draharaha kaominaly.
Fanampiana ara-pitaovam-pambolena, ara-bola sy fizaràna masomboly ho an'ireo tokantrano miisa 50 000.
Fomba iray hanatrarana ireo tanjona samihafa voasoratra ao anatin’ny veliranon’ny Filoham-pirenenana Andry Rajoelina, ny fanatanterahana ity tetikasa Mionjo ity, hoy hatrany ity ministera. Tafiditra ao anatin’izany tanjona izany ohatra ny fahavitan-tena sy fandraisana andraikitr’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny rano fisotro madio ho an’ny rehetra, ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fitantanana maharitra ireo harena voajanahary, ny fanomezana sehatra bebe kokoa ny vehivavy sy ny tanora izay antoky ny ho avy. Andrasana ny fivoarana sy ny fahavitan-tenan’ireo kaominina mpisitraka amin’ny alàlan’izao tetikasa izao.

Lire la suite

Articles Similaires