• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Clark_Ratsimandisa
Image
Economie

Fitaterana an-dàlamby Moramanga – Toamasina : Ho fampiroboroboana ny fizahan-tany sy ny ekonomia

10/05/2023 15:02 © Moov.Mg

TCE : 7 000 ariary ka hatramin’ny 15 000 ariary ny saran-dàlana ho an’ny zotra an-dàlamby mampitohy an’i Moramanga sy Toamasina. Hisokatra ny 01 Jona ho avy izao io zotra io.

Tetikasa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny fitanterana ny entana izao famelomana indray ny zotran-dàlamby mampitohy an’i Moramanga sy Toamasina izao. Tsy ho ela intsony noho izany dia hisitraka ny fampiasana iny làlamby iny ireo olona mpivezivezy amin’iny faritra Atsinanana iny.

Dia soa

« Dia soa », io no anaran’ilay fiaran-dàlamby hitondra ireo mpandeha voaloha amin’izao fisokafan’ny fitaterana an-dàlamby izao indray. Hiainga ao Moramanga ny alakamisy 01 jona amin’ny 06 ora mariana ny fiaran-dàlamby Dia soa ary hihazo an’ny Toamasina, araka ny fampahafantarana nataon’ny teo anivon’ny ministeran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro.
Sokajim-pitanterana roa no atolotr’ity fiaran-dàlamby ity. Ao ny sokajy voalohany na « première classe », izay ahitana toerana (place assise) 64. Ao ihany koa ny sokajy faharoa na « deuxième classe ». Ity farany dia afaka mitondra olona hatramin’ny 216. Tsara marihina fa voatsinjara amin’ny « voitures » miisa telo ireo toerana 216, koa ny voiture iray izay taritin’ny fiaran-dàlamby dia ahitana toerana 72.

Fizahan-tany ho fampivoarana ny ekonomia

Olona maherin’ny 100 000 izay mipetraka amin’ny toerana alavitra sy saro-dàlana no afaka hifamezivezy ankalalahana amin’ny alàlan’io zotra io. Tsy mijanona amin’ny maha fitaovam-pitanterana olona azy fotsiny ihany anefa ity fiaran-dàlamby izay hampitohy an’i Moramanga sy Toamasina ity. Tanjona amin’ny fametrahana azy io ny hampiroboroboana ny sehatry ny Fizahan-tany.
Fantatra fa handalo amin’ny tobim-piantsonana 23 izy io. Maro noho izany ny toerana afaka ho tsidihan’ireo mpandeha. Tafiditra ao antin’izany ohatra Andasibe, Brickaville, ary Ambila Lemaitso. Manodidina ny 7 000 ariary ny saran-dàlana ho an’ireo mpandeha misafidy ny « deuxième classe » raha 15 000 ariary kosa ho an’ireo mandeha amin’ny « première classe ». Raha ny mahakasika ny entana kosa dia 110 ariary isaky ny kilao no sara-pitanterana.
Ho an’ireo izay mikasa ny handray ny fiaran-dàlamby eny Brickaville ka hihazo an’i Toamasina dia 7 000 ariary hatrany ny saran-dàlana ho an’ny deuxième classe raha toa ka 10 000 izany ho an’ny première classe.
Inoana hitondra voka-tsoa ara-ekonomika ny fisokafan’io zotra an-dàlamby io amin’ny alàlan’ny fahatongavan’ireo mpizahatany malagasy sy vahiny. Fomba iray ihany koa io hanomezan-danja iny faritra Atsinana iny, sy hanatsarana ny fidiram-bolan’ireo mponina any an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires