• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Martial_Peckos_Ratompohary
Image
Economie

« Branchement Mora » : Miroso amin’ny fanaovana devis ny Jirama

02/05/2023 16:15 © Moov.Mg

Efa miverina mitety fokotany indray ankehitriny ireo tompon’andraikitra amin’ny fanisana na ny « agent recenseur » eo anivon’ny Jirama.

Programan’asa matotra

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanohizana ny tetikasa « Branchement Mora » ankehitriny ireo mpanao fanisana. Roa toana taorian’ny nanokafan’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fomba ofisialy ny tetikasa ny 14 Oktobra 2021 dia miverina mitety fokontany indray ny avy eo anivon’ny Jirama. Tsiahivina fa tetikasan’ny filoham-pirenenana izy io ary tafiditra ao anatin’ny velirano faharoa izay mifototra amin’ny fampisitrahana « Angovo sy rano fisotro madio ho an’ny rehetra ».
Ny tapaky ny volana Aprily lasa teo ary dia nitety fokontany indray ireo mpanao fanisana. Miroso anefa ny asa fa tsy mijanona amin’ny fanisana ireo mpisitraka fotisiny ihany. « Efa miditra tsikelikely amin’ny fanaovana « devis » izao izahay » hoy ny vaovao voaray teo anivon’ny Jirama. Rehefa vita ny devis dia hiroso amin’ny fampidirana jiro amin’izay ny teknisianina eo anivon’ny Jirama. Tsy tokony ho ela intsony noho izany dia hisitraka ny jiro mora ireo tokantrano marefo nisoratra anarana tamin’izany raha ny fandrosoan’ny asa no jerena.

Tolotra mirary

Araka ny efa nolazaina hatrany ampiandohana dia natokana ho an’ireo tokatrano mikarama 300 000 ariary isam-bolana noho midina ity tolatra ity, ary ihany koa mipetraka manodidina ny 30 metatra miala ny potoan-jiro. Tanjona amin’izany ny mba hisitrahan’ireto farany angovo toa ny tokatrano rehetra. Fantatra ary fa tokatrano miisa 200 000 no hisitraka izany. ny 100 000 amin’ireo dia tokatrano eto andrenivohitra avokoa. Ny 100 000 ambiny dia mahakasika ireo tokatrano any amin’ny faritra.
Ho an’ireo izay maniry hisitraka izany dia tsiahivina fa 30 000 ariary ny saran’ny kaotera aloha mialoha na « compteur prépayé » izay manana tanjaka 1,1 kW. Fahana eo amin’ny 9 500 ariary isam-bola eo no ilaina ampidirina amin’ity kaotera ity ary ahafahana mahazo 10 kWh.
Ankoatra ny kaontera dia ahitana tabilao misy « prise » roa ihany koa io tolotra io. Afaka mijery fahitalavitra tsotra (tsy écran plat), mihaino radio ary manatsatoka finday ihany koa noho izany ireo tokatrano misafidy izany. Tsy izany ihany fa azo atao ihany koa ny mampiasa vata fampangatsiahana 50 litatra noho midina ho an’ireo izay maniry izany. Tsara ho fantatra kosa anefa fa tsy miara alefa ny fitaovana rehefa mampiasa izany.
Tolotra mirary ary natao amahana ny olan’ny tokatrano sahirana ara-pitadiavana izy ity. Na dia eo aza anefa ny ezaka toa izao dia hita fa mbola miaina anatin’ny olana amin’ny resaka jiro sy angovo hatrany ny malagasy. Mbola mitohy ny fahatapahan-jiro izay manimba ny fitaovana maro isan-karazany ao an-tokatrano. Mahita faisana noho izany ireo mpiasa-tena. Andrasana noho izany ny fametrahana vahaolana maharitra izay misy eo amin’ny Jirama.

Lire la suite

Articles Similaires