• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Présidence_De_La_République_De_Madagascar
Image
Economie

Lavanila : Ho entitra amin’ny fitazomana ny vidiny ny fitodram-panjakana

10/02/2023 15:45 © Moov.Mg

Tanteraka omaly tetsy amin’ny làpan’Iavoloha ny fihaonana teo amin’ny filoha Andry Rajoelina, ny ministry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy ary ireo mpisehatra amin’ny lavanila.

Mpandraharaha mpanondrana lavanila sy mpisehatra ao amin’ity sehatra ity miisa 88 no tonga namaly ny antso. Taorin’ny fitokonana izay nataon’ireo mpamokatra lavanila any amin’iny faritry Mananara Avaratra iny dia nanapa-kevitra ny ministry ny Varotra sy ny Filoha fa tsimaintsy hihaona amin’ireo mpandraharaha ireo. Nandritra izany fihaonana izany dia nanamafy ny filoha fa ho entitra ny fitazomana ny vidin’ny lavanila voaomana (vanille préparée), izay efa napetraka moa fa tokony ho 250 dolara ny kilao. Natao izany mba hiarovana ny kalitaon’ny vokatra araka ny tolo-kevitra niombonan’ireto mpisehatra lavanila ireto. Rariny dia rariny tokoa raha harovana izany kalitaom-pamokarana izany, satria ny lavanila avy eto Madagasikara dia fata-daza maneran-tany.

Ny tanjona tamin’ity fihaonana ity dia ny mba ahitana vahaolana iraisana ahafahafana mamaha ny olana sedrain’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ity seha-piariana iray ity. Tamin’izany indrindra no nampahatsiahivin’ny fitondram-panjakana fa misokatra hatrany amin’ny fifampiresahana izy ireo mba hitadiavam-bahaolana amin’izay mety ho sakana amin’ny fampioarana io sehatra io.

Raha tsiahivina anefa dia ny fitsabahan’ny fanjakana amin’ny fifehezana ny vidin’ny lavanila mihitsy no niteraka ny fitokonana izay nataon’ireo mpanangom-bokatra ireo, ny talata 7 febroary lasa teo. Nidina teny an-dàlambe ireto farany ary nitaky ny hanomezana fahalalahana ity sehatra ity, izay heverin’izy ireo ho hany vahaolana amahana ny olana sedraina amin’ny fivarotana ireo vokatra izay mitoby ao amin’izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires