• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Governoran'Ny Faritra Anôsy
Image
Vaovao

Fahavitan-tena ara-tsakafo : Tantsaha miisa 300 avy ao amin’ny faritra Anôsy nisitraka tohana amin’ny fambolena

23/12/2024 12:00 © Moov

« Madagasikara miroso amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo », izany no tanjon’ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Ho fanatrarana izay vina izay no nanolorana tohana hanam-pamokarana ho an’ny taom-pambolena 2024-2025 ho an’ireo mpamokatra miisa 300 ao amin’ny faritra Anôsy.

Seha-pihariana vary andrano

Miezaka manao asa matevina amin’ny sehatry ny fambolena vary ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana. Tafiditra ao anatin’izany avokoa na ny vary an-tanety na anaty rano. Ho an’ireto tantsaha ao amin’ny faritra Anosy ireto dia ireo mpanao vary an-drano ao amin’ny kaominina ambanivohitra Esaka Ivondro, Distrikan’i Tolagnaro no nisitraka tohana. Nozaraiana tamin’izany ny masomboly milanja 2 700 kg, zezika NPK 4 500 kg ary zezika biolojika milanja 22 500 kg. Tsara ny manamarika, hoy ny avy ao amin’ny Ministera fa mpamokatra mahafeno ny fepetra no afaka misitraka ny tohana omen’ny Ministera ka ny 10%-n’ny vidin’ny hanam-pamokarana ihany no aloan’izy ireo. Ity fizarana hana-pamokarana ity ihany koa dia tanterahin’ny Ministera amin’ny alalan’ny tetikasa PURPA izay miara-miasa akaiky amin’ny Tahirim-bola Fampandrosoana ny Famokarana na FDA.

Tetikasa PURPA

Tanjon’ny Tetikasa PURPA ny hampitombo ny vokatra avy amin’ny vary sy ny voanjo ary ireo rehetra afaka haodina ho menaka, mba hampihenana ny fiankinan’i Madagasikara amin’ny fanafarana sakafo. Eo ihany koa ny fanohanana ny paikadin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana mikendry ny fampandrosoana ny fambolena nasionaly. Ity tetikasa ity dia eo ambany fiahian’ity minisitera ity ary mahazo tohana avy amin’ny famatsiam-bola avy amin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (AfDB). Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny fanjakana hampiroboroboana ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara izy. Ho an'ny taona 2024 izao dia nahatratra 79,12% ny fahombiazana tamin’ireo asa rehetra notanterahina. Hahatratra 100% kosa ny tahan'ny fahombiazana ho an’ny taona 2025 raha ny tanjona napetraka.

Lire la suite

Articles Similaires